Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany nankany amin’ny vohitra manodidina an’i Sezarean’i Filipo, ary teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy nanao hoe: "Ataon’ny olona ho iza moa Aho?" Ary ireo namaly Azy, nanao hoe: "I Joany Batista, hoy ny sasany; i Elia, hoy ny sasany; ary anankiray amin’ny mpaminany, hoy kosa ny sasany." Hoy Izy tamin’izy ireo: "Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza?" Dia namaly i Piera ka nanao taminy hoe: "Ianao no i Kristy." Ary norarany mafy izy ireo mba tsy hilazalaza Azy na amin’iza na amin’iza. Tamin’izay, nambarany tamin’izy ireo fa ny Zanak’Olona dia tsy maintsy hijaly mafy sy hatosiky ny loholona mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hovonoina, fa hitsangana indray raha afaka hateloana, sady nataony mazava tsara no filaza izany. Dia nentin’i Piera nitanila Izy ka noteneniny mafy. Fa nihodina nijery ny mpianany Izy, ary niteny mafy an’i Piera hoe: "Mialà amiko, ry Satana, satria tsy mihevitra araka an’Andriamanitra ianao, fa araka ny olombelona."
Tamin’izany andro izany, tonga tany Betsaida i Jesoa sy ny mpianany, ary nisy nitondra lehilahy jamba anankiray teo aminy, sy nangataka taminy mba hanendry azy. Dia noraisin’i Jesoa ny tanan’ilay jamba ka nentiny nivoaka ny tanàna izy; nasiany rora ny masony, nametrahany tanana izy, ary nanontaniany raha mahita zavatra. Dia niandrandra ilay jamba ka nanao hoe: "Ny fahitako ny olona mamindra dia sahalahala amin’ny hazo." Dia nametrahany tanana indray ny masony, ka nasainy nijery izy, izay vao sitrana tsara sy nahita mazava ny zavatra rehetra. Ary nasain’Jesoa nody any an-tranony izy sy nilazany hoe: "Modia any an-tranonao, fa aza miakatra ao an-tanàna na milaza izany amin’ny olona ao an-tanàna."
Navoakan'ny ekipa mpandrindra nasionaly tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny fivorian'ny Filankevitra Maharitry ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara ny alatsinainy 7 febroary 2022, ny hira mirakitra ny vavaky ny Sinaodin'ny Eveka ho tanterahana ny taona 2023. Ny Antokom-pihira Katedraly Mahajanga (APKM) no namorona sy nandrindra ny feon-kira ary mihira azy. Raki-tsary notontosain'ny RDB Live. Ny raki-peo sy ny raki-tsary ary ny tonony dia azo alaina ao amin'ny tranonkalan'ny Radio Don Bosco (https://rdb.mg/sintondavitra.html)
♦ Notanterahana ny 12 sy 13 febroary 2022 ny fivoriam-be voalohany fanaon'ny Filankevitra momba ny Fitantanana ny Vahoakan'Andriamanitra (FFVA) eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Fanavaozana foto-drafitra sy fizarana mari-pahatsiarovana ho an'ireo tokantrano kristianina, no nanamarihana ny faha-95 taonan'ny EKAR Notre-Dame de Lourdes, Toamasina... ♦ Nankalaza ny faha-91 taonany tamin'ny 12 febroary 2022 ny Radio Vatican...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco