Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny sasany tamin’ny Sadoseanina, izay mandà ny fitsanganan’ny maty, ka nanontany Azy nanao hoe: "Ry Mpampianatra ô, i Môizy nanome lalàna ho antsika hoe: Raha misy lehilahy manambady ka maty momba, dia aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny, mba hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny. Koa nisy olona fito mirahalahy, ary nanambady ny zokiny, ka maty momba. Dia nanambady an-dravehivavy ny faharoa, fa maty momba koa. Nanaraka izany dia nanambady azy indray ny fahatelo, ary nanao toy izany avokoa izy fito mirahalahy, fa maty momba daholo. Farany, dia maty koa ravehivavy. Koa ho vadin’iza ravehivavy raha mby amin’ny fitsanganan’ny maty? fa efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy."

Dia hoy i Jesoa taminy: "Ny zanak’izao fiainana izao no mampaka-bady sy avoaka hampakarina; fa izay efa hita ho mendrika hahazo ny fiainana ho avy sy ny fitsanganan-ko velona kosa, dia tsy mba mampaka-bady, na avoaka hampakarina, ary tsy mety maty intsony izy, fa tahaka ny anjely sady zanak’Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganan-ko velona. Ary raha ny hoe hitsangana ny maty, dia zavatra efa nambaran’i Môizy teo amin’ilay nilazany ny Voaroy izany, fa tamin’io izy dia niantso ny Tompo hoe: ‘Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaaka ary Andriamanitr’i Jakôba.’ Koa velona eo anatrehany izy rehetra ireo, satria tsy mba Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ny velona."

Dia namaly ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna ka nanao taminy hoe: "Ry Mpampianatra ô, marina ny filazanao." Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony izy ireo.

♦ Nifantoka tamin'ny fomba hanampiana ireo olona tsy manana sora-piankohonana sy ny kara-panondrom-pirenena ary ny ady amin'ny kolikoly ny fihaonamben'ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny fampanjariana ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara... ♦ Miaina ao anatin'ny tebiteby noho ny tsy fandriam-pahalemana ny vahoaka ao amin'ny Faritra Melaky. Mangataka ny fanomezan-tanana avy amin'ny fanjakana mahefa ny Fiangonana mba hamahana ny olana...

Tamin’izany andro izany, niditra tao an-tempoly i Jesoa, dia nandroaka ny mpivarotra sy ny mpividy tao, ka nanao taminy hoe: "Efa voasoratra, fa ny tranoko dia trano fivavahana, nefa ianareo kosa nanao azy ho zohin’ny mpangalatra." Dia nampianatra isan’andro tao an-tempoly Izy; fa ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona kosa nitady hahafaty Azy; nefa tsy hitan’izy ireo izay hevitra hoenti-manao izany, satria faly sy ravo nihaino Azy ny vahoaka rehetra.

Tamin’izany andro izany, nony mby akaiky an’i Jerosalema i Jesoa dia nitomany azy nanao hoe: "Raha izay kosa manko ianao no mba nahalala izay hampiadana anao, na dia amin’itý andro nomena anao itý ihany aza! Fa takona ny masonao izany ankehitriny. Ka ho avy aminao ny andro hanaovan’ny fahavalonao hady manodidina anao; hosaronany ianao sy hotereny hatraiza hatraiza, ary hofongorany hatramin’ny tany mbamin’ny zanakao eo anatinao ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, satria tsy nahalala ny andro namangiana anao ianao."

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...