Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 19, 1-2. 9-11. 16-20b)

Nidina nanatrika ny vahoaka teo an-tampon’ny tendrombohitra Sinaia ny Tompo.

Tamin’ny volana fahatelo taorian’ny nivoahan’i Israely tany Ejipta,
tamin’izany andro izany, no nahatongavany tany an’efitr’i Sinaia.
Efa niala tany Rafidima izy;
ary nony tonga tamin’ny efitr’i Sinaia, dia nitoby tao an’efitra;
tandrifin’ny tendrombohitra no nitobian’i Israely.

Ary hoy ny Tompo tamin’i Môizy:

“Indro fa hankeo aminao ao anatin’ny rahona matevina Aho,
mba ho ren’ny olona rahefa miteny aminao Aho,
dia hinoany anao mandrakariva koa.”

Dia nolazain’i Môizy tamin’ny Tompo ny tenin’ny vahoaka.
Ka hoy ny Tompo tamin’i Môizy:

“Mandehana mankany amin’ny vahoaka, ka hamasino izy anio,
sy ampitso ary asaovy sasàny ny fitafiany.
Aoka ho voaomana amin’ny andro fahatelo izy,
fa hidina eo an-tampon’ny tendrombohitra Sinaia
eo imason’ny vahoaka rehetra ny Tompo amin’ny andro fahatelo.”

Nony marainan’ny andro fahatelo,
dia nisy kotroka aman-tsela-baratra ary rahona matevina teo an-tendrombohitra,
ary nisy feon’anjomara mafy nitatatata,
ka tera-kovitra ny vahoaka rehetra teo an-toby.

Nentin’i Môizy nivoaka ny toby ny vahoaka
handeha hihaona amin’Andriamanitra;
dia teo am-pototry ny tendrombohitra izy ireo no nijanona.
Nivoa-tsetroka ny tendrombohitra Sinaia manontolo,
satria tanaty afo no nidinan’ny Tompo nankeo amboniny,
ka nipololotra toy ny avy amin’ny lafaoro lehibe ny setroka,
ary nihovotrovotra iray ihany ny tendrombohitra manontolo.
Nihamafy nihamafy ihany ny feon’anjomara.
Ary niteny i Môizy ka namaly feo azy Andriamanitra.
Nidina ny Tompo nankeo an-tendrombohitra Sinaia,
dia teo an-tampon’ny tendrombohitra izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Dan. 3, 52. 53. 54. 55. 56

Fa mendrika dera sy laza, isaorana mandrakizay.

Isaorana indrindra Ianao,
ry Tompo Andriamanitry ny razana.

Isaorana ny Anaranao,
fa masina, be voninahitra.

Isaorana indrindra Ianao,
an-tempoly be voninahitra.

Isaorana indrindra Ianao,
ambony fiketraha-mpanjaka.

Isaorana indrindra Ianao,
mahatsinjo ny halalin’ny hantsana.

Isaorana indrindra Ianao,
mipetraka ambony Kerobima.

Isaorana indrindra Ianao,
manerana tany aman-danitra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 10-17)

Ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izy ireo tsy mba nomena izany.

Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa ny mpianany ka nilaza taminy hoe:

“Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?”

Namaly Izy ka nanao taminy hoe:

“Satria ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’ny lanitra,
fa izy ireo tsy mba nomena izany.
Fa izay manana dia homena ka hanam-be izy,
ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia hesorina aminy.
Ary noho izany, dia fanoharana no itenenako aminy:
satria mijery izy fa tsy mahita,
ary mandre fa tsy mahazo na mahalala;
ka tanteraka aminy ilay faminanian’i Izaia manao hoe:
‘Handre amin’ny sofinareo ianareo fa tsy hahalala,
ary hijery amin’ny masonareo, fa tsy hahita;
fa ny fon’ity vahoaka ity efa nihamafy, ny sofiny efa nihadonto,
ary ny masony efa nakimpiny,
sao mahita ny masony sy mandre ny sofiny, ka hahalala ny fony,
dia hibebaka izy ary hositraniko.’
Fa ianareo kosa, sambatra ny masonareo fa mahita,
ary ny sofinareo fa mandre.
Lazaiko aminareo marina tokoa, fa maro ny mpaminanysy ny olo-marina
naniry hahita ny hitanareo fa tsy nahita, ary handre ny renareo fa tsy nandre.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 16, 1-5. 9-15)

Indro Aho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo.

Tamin’izany andro izany, niala tao Elima ny zanak’i Israely
dia tonga tany an’efitra Sina, anelanelan’i Elima sy Sinaia
tamin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana faharoa,
taorian’ny nialany tany amin’ny tany Ejipta.

Nimonomonona tamin’i Môizy sy Aarôna tao an’efitra
ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra.
Hoy ny zanak’i Israely tamin’izy ireo hoe:

“Inay anie izahay mba matin’ny tanan’ny Tompo tany an-tany Ejipta,
raha ilay nipetraka teo anelanelan’ny vilany feno hena sy nihinana mofo mandra-pahavoky iny izahay;
fa izao kosa nentinareo aty an’efitra izahay
mba hahafaty mosary izao vahoaka be izao.”

Dia hoy ny Tompo tamin’i Môizy:

“Indro Aho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo.
Hivoaka ny olona,
ka isan’andro dia hanangona izay sahaza hohaniny amin’ny indray andro,
mba hizahako toetra azy, na handeha araka ny lalàko izy na tsia.
Amin’ny andro fahenina,
homaniny izay efa nangoniny ka hisy indroa toraky ny fanangony isan’andro.”

Ary hoy i Môizy tamin’i Aarôna:

“Lazao amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra hoe:
Manatòna eo anatrehan’ny Tompo ianareo,
fa efa reny ny fimonomononanareo.”

Mbola miteny amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra eo i Aarôna,
no nitodika ny efitra ireo,
ka indro niseho teo amin’ny rahona ny voninahitry ny Tompo.
Dia hoy ny Tompo tamin’i Môizy:

“Reko ny fimonomononan’ny zanak’i Israely ka lazao azy ireo hoe:
Amin’ny àty takariva ianareo dia hihinan-kena;
ary raha maraina koa dia hivoky mofo,
ka ho fantatrareo fa Izaho no Tompo Andriamanitrareo.”

Nony hariva indreny nisy papelika niakatra nandrakotra ny toby;
maraina indray, nisy ando matevina nanodidina ny toby.
Vao levona ny ando, dia indro hita mandrakotra ny efitra
zava-madinika mandrotsirotsy madinidinika toy ny fanala eo amin’ny tany.
Nahita ireny ny zanak’i Israely dia nifanontany hoe:

“Inona itony?” satria tsy fantany.

Hoy i Môizy tamin’izy ireo:

“Itony no mofo omen’ny Tompo ho fihinanareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 77, 18-19. 23-24. 25-26. 27-28

Varin’ny lanitra no nomen’ny Tompo azy ireo.

Ninia naka fanahy an’Andriamanitra izy ireo,
ka nangata-tsakafo ho an’ny tendany.
Andriamanitra va re, hoy izy,
hahavonom-panasana atý an’efitra?

Izy nandidy ny rahona eny ambony;
ny varavaran’ny lanitra nadanadanany;
narotsany taminy ny mana ho sakafony:
varin-danitra no nomeny azy ireo.

Mofo Mahery no nohanin’olombelona,
vatsy mahahetsaka no nalefany taminy.
Nirahiny avy eny an-danitra ny rivotr’Atsinanana;
nampiavian’ny heriny ny rivotr’Atsimo.

Hena toy ny vovoka no narotsany ho azy,
dia vorona ohatra ny fasi-dranomasina.
Nalatsany ireny teo anivon’ny tobiny,
ary koa teny manodidina ny lainy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo,
izay mahavonjy ny fanahinareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 1-9)

Ao ny mamoa avo zato heny.

Tamin’izany andro izany,
rahefa nivoaka avy tao an-trano i Jesoa,
dia nipetraka tao amoron-dranomasina.
Ary be ny vahoaka nitangorona teo aminy,
ka niditra teo an-tsambo kely Izy, dia nipetraka teo,
ary ny olona rehetra kosa teo amoron-drano.
Ary nilaza zavatra maro tamin’ireo tamin’ny fanoharana Izy nanao hoe:

“Indro nivoaka hamafy ny mpamafy, ary nony namafy izy,
ny sasany latsaka teny amoron-dalana,
dia tonga ny voromanidina ka nitsindroka azy;
ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sady manify nofo,
ka nitsimoka vetivety, satria tsy lalina ny nofon-tany;
kanjo nony niposaka ny masoandro, dia nalazo izy ka maina,
satria tsy latsa-paka.
Ny sasany latsaka tany anaty tsilo,
dia nitombo ny tsilo ka dia nahafaty azy;
ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara, dia namoa:
ao ny tonga avo zato heny,
ao ny enimpolo,
ary ao ny telopolo.
Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦Nanatanteraka Dinika, anatin'ny fitsirihana na ny AUDIT  mikasika ny lisitry ny mpifidy sy ny tontolon'ny fifidianana mihitsy, izay karakarain'ny CENI, omaly, ny teo anivon'ny OIF, natrehin'ireo mpisehatra ara-politika sy ny fiaraha-monim-pirenena... ♦ Miantso fitoniana ny mpiara-dia amin'ny fitondrana. Tokony ho hiomana hiatrika ny fifidianana ny mpanao politika hoy ny sekretera jeneralin'ny fikambanana IFI... ♦ Tanàna 120 isa, tsy mbola nisy herin'aratra mihitsy, no ahazo izany, vokatry ny tetik'asa Welight, izay hovatsian'ny Banky Eraopeana ho an'ny fampiasam-bola, vola 10 tapitrisa Euro. Vita omaly ny sonia fifanarahana momba izany, teo amin'ny BEI sy ny ministeran'ny angovo sy ny ankoran'afo...

Ho an'ny olona mino, ny "fahaiza-manao" dia fanomezana avy amin'Andriamanitra. Ho an'ny tsy mpino dia talenta izy io, fa ho an'ny mpino dia fanomezan'ny Fanahy Masina. Natao ho an'iza ny fanompoana? Avy amin'ny hoe "liturgie" : fideran'ny vahoaka an'Andriamanitra noho ny famonjena izany hoe fanompoana an'Andriamanitra ; ho an'ny tsy mpino dia fanompoana ny mpanjaka. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...