♦ Tontosa tamin'ny talata teo ny fitsofan-drano an'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay notendren'ny Papa François ho Eveka Mpanampy any amin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ Nankalaza ny faha-105 taona niorenan'ny sekoly ny tao amin'ny Lycée Masindahy Antoine Ankadifotsy, nandritra ny fankalazana ny fetin'ny olomasina mpiaro azy ireo, ny talata teo... ♦ Hotontosaina ny 27 hatramin'ny 29 jona, ho avy izao, ny fiofanana izay fanaon'izy ireo isan-taona, no sady hankalazana ny faha-10 taona nisiany, dia ilay antsoina hoe "Formation à la Spiritualité Ignacienne", na ny FSI...

Natokana ho herinandron’ny vokatra tena tsara na ny « Semaine de l’excellence » ity herinandro ity. Maro ireo hetsika anehoana izany nanomboka ny talata lasa teo hatramin’ny alahady izao. Voalohany amin’izany hetsika izany ny fikaonan-doha na ny Forum B To B natao teny amin’ny Hotely Carlton Anosy. Hetsika nifampiresahan’ny tompon’andraikitra avy amin’ny Fanjakàna sy ny mpisehatra ara-pambolena niaraka tamin’ny rafitra ara-bola sy ny mpiara-miombon’antoka teknika sy ara-bola....

♦ Nitohy androany ny hetsika nataon'ireo olona avy amin'ny 106 tafo, misedra olana ara-tany eny Antohomadinika Atsimo. Milaza ny tsy hampiato ny hetsika izy ireo raha tsy mahazo kara-tany... ♦ Mbola mitana ny faniriany hirotsaka hofidiana ho Filoham-pirenena amin'ny fifidianana ho avy, Andriamatoa Paraina Auguste... ♦ Manahy ny amin'ny mety haharatsy ny vidin'ny vokatra lavanila maitso, ireo tantsaha any Mandritsara, amin'izao fisokafan'ny tsenan'ny lavanila izao...

Vakiteny voalohany

Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 9, 6-11)

Ny manome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra.

Ry kristianina havana,
izay mamafy kely dia hijinja kely ary izay mamafy be dia hijinja be.
Samia manao araka izay efa nokasainy tao am-pony avy,
tsy amin’alahelo na an-tery,
fa ny manome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra.

Hain’Andriamanitra fenoina ny fahasoavana rehetra ianareo,
ka sady hanana ny ampy mandrakariva amin’ny zava-drehetra ilainareo
no hanana amby ampy aza hoentinareo mitombo amin’ny asa soa isan-karazany
araka ny voasoratra hoe:

“Namafy tamin’ny fanomezam-be ny mahantra izy,
ka haharitra mandrakizay ny fahamarinany.”

Ilay manome ny mpamafy ny voa afafy sy ny hanin-ko haniny,
no hanome anareo koa ny voa afafy sy hampitombo azy,
ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo,
dia hanan-karena amin’ny zava-drehetra ianareo
sy hahafoy be amin-kitsim-po,
ka fisaorana an’Andriamanitra noho ny asanay no ho vokatr’izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 111, 1-2. 3-4. 9

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo.

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo,
sy mankasitraka fatratra ny didiny!
Ny taranany hahery eto an-tany;
ny taranjan’ny olo-marina tahina.

Fananana sy harena no ao an-tranony;
ny fahamarinany maharitra mandrakizay.
Ny olo-marina tsilovina raha maizina:
dia ireo izay mangoraka sy antra.

Malala-tanana izy,
manome ny mahantra;
ny fahamarinany maharitra mandrakizay;
ny tandrony misandratra noho ny voninahitra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao,
ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 1-6. 16-18)

Ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Tandremo sao hataonareo eo imason’ny olona
ny asa soa hataonareo mba hahitany azy;
fa raha izany,
dia tsy hahita valisoa amin’ny Rainareo izay any an-danitra ianareo.
Koa amin’izany raha manao fiantrana ianao,
dia aza mitsoka trômpetra eo alohanao
tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy ao amin’ny sinagôga sy eny an-dalam-be,
mba hankalazan’ny olona azy.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.
Fa raha manao fiantrana ianao,
aoka ny tananao havia tsy hahalala izay ataon’ny havanana,
mba hiafina ny fiantrana ataonao,
ary ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao.
Ary raha mivavaka ianareo,
aza mba manao tahaka ny mpihatsaravelatsihy,
izay tia ny mivavaka mitsangana ao amin’ny sinagôga sy eny an-joron-dalana,
mba hahitan’ny olona azy.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.
Fa ianao kosa raha hivavaka,
dia midira ao amin’ny efitranonao,
ka rahefa voarindrinao ny varavarana,
dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny mangingina,
ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao.
Ary raha mifady hanina ianareo,
dia aza manjombona endrika tahaka ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy,
izay mampisotisoty ny tavany mba hahitan’ny olona fa mifady izy.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.
Fa ianao kosa raha mifady hanina,
dia hosory zava-manitra ny lohanao, ary sasao ny tavanao,
mba tsy ho ny olona no hahita anao hoe mifady hanina,
fa ny Rainao izay ao amin’ny mangingina;
ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly soa anao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...