♦ Hampahafantarina amin'ny talata ho avy izao, ilay sata mifehy ny fitsipi-pitondran-tena amin'izao vanim-potoana fifidianana izao... ♦ Antony iray tsy maintsy hitohizan'ny fahatapahan'ny herinaratra mifandimby, ny fitombon'ny filan'ny mpanjifa amin'izao vanim-potoana ririnina izao, hoy ny Jirama... ♦ Mirongatra ankehitriny ny fanolanana zaza tsy ampy taona, ka anaovan'ny fikambanana SK, antso avo...

"Tsy ampy ny mitady elanelam-panahy hampifandraisana ny fiarovana ny voahary sy ny tombontsoa ara-bola, na koa ny fitandrovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana. Mikasika izany, ny fisian’ny elanelam-panahy dia manemotra kely foana ny fotoana hingadonan’ny faharavana. Ny tsy maintsy atao fotsiny dia ny mamaritra izay atao hoe fandrosoana. Ny fivoarana ara-teknolojia sy ara-toekarena izay tsy mamela tontolo tsara kokoa sy hatsaran’ny lafim-piainana rehetra hiakatra ambony kokoa dia tsy azo heverina ho fandrosoana"(LS 194). Fandaharana "miaina sy mitia"

♦ Hotanterahana anio, eny anoloan'ny Lapan'ny Tanàna Analakely, ny lanonam-panokafana ny Fetim-pirenena... ♦ Andrasana anio, ny fampakarana fampanoavana an'i Nambinina Raherimampianina, izay voasambotra nandritra ny hetsika notarihan'i Doris Rakoto Samuel teny Analakely, ny alarobia teo... ♦ Mbola manamafy ny ahiahiny amin'ny mety hisian'ny krizy eto amin'ny firenena, ny antoko UNDD...

Fadio ny toe-tsaina te hampirisika ny hafa fotsiny sy ry toe-tsaina tsy te hiraharaha ; Indraidray tokoa isika manana fo te hanampy ny hafa nefa tsy te hosasatra eo amin’ny fiainana ka tratrany atao hoe fiatsarambelatsihy : faly midera sy mamporisika ny hafa nefa tsy te handray anjara fanampiana amin’ny hafa. Katesizy momba ny firahalahian'ny olombelona ho amin'ny firaha-miaina sy ny fisia-miaraka, iarahana amin'i P. Laurant Ratinarivo. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...