Tamin’izany andro izany : Nahare ny lazan’i Jesoa i Herôda ka hoy ny sasany hoe : "I Joany Batista nitsangan-ko velona izay, ka izany no iasan’ireo hery mahagaga aminy" ; fa ny sasany kosa nanao hoe : "I Elia izay", ary ny hafa indray dia hoe : "Mpaminany izay, dia toy ny iray amin’ny mpaminany." Ary nony nandre izany i Herôda, dia nanao hoe : "I Joany izay e, dia ilay efa notapahiko ny lohany, fa efa nitsangan-ko velona izy." Fa i Herôda io ihany no naniraka hisambotra sy hamatotra an’i Joany tany an-tranomaizina, noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny izay nalainy ho vady. Satria i Joany nanao taminy hoe : "Tsy mahazo manambady ny vadin-drahalahinao ianao." Koa tonga halan’i Herôdiada izy sy nirìny ho faty aza, saingy, tsy azony natao izany noho ny tahotr’i Herôda an’i Joany, izay hitany fa lehilahy marina sy masina, ka narovany sady narahiny hevitra tamin’ny zavatra maro, sy nohenoiny tamin-kafaliana. Ary tonga ny andro tsara, dia ilay fitsingerenan’ny taona nahaterahan’i Herôda ka nanaovany fanasana ho an’ny manamboninahiny sy ny tompon’arivo ary ny loholona tany Galilea. Fa niditra nandihy tao an-trano fanasana ny zanakavavin’i Herôdiada ka nahafaly an’i Herôda, sy izay niara-nihinana taminy ; dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy : "Angataho amiko izay tianao, fa homeko anao", sady nampiany tamim-pianianana hoe : "Na inona na inona angatahinao amiko, dia homeko anao, na dia ny antsasaky ny fanjakako aza." Dia nivoaka razazavavy ka nanontany an-dreniny hoe : "Inona no angatahiko ?" Ary hoy reniny : "Ny lohan’i Joany Batista." Dia nidodododo faingana nankao amin’ny mpanjaka izy, ka nangataka hoe : "Tiako raha omenao ahy an-dovia izao ankehitriny izao ny lohan’i Joany Batista." Nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy noho ireo olona niara-nihinana taminy, dia tsy sahy nandà an-drazazavavy izy, fa nirahiny faingana ny mpiambina anankiray nasainy hitondra ny lohan’i Joany amin’ny lovia. Dia nandeha nanapaka ny lohan’i Joany tao an-tranomaizina ilay mpiambina, ka nitondra azy tamin’ny lovia, ary nomeny an-drazazavavy dia nomen-drazazavavy an-dreniny kosa. Nony nandre izany ny mpianany, dia tonga naka ny fatiny ka nandevina azy.
Ny tsy fahampian' ny fitiavana eo amin' ny fiaraha-monina no anton' ny maha voasarika ny tanora handray zava-mahadomelina. (27-01-2021)
Hanova ny fiainan-tokatrano ny fanehoam-pitiavana eo amin' ny mpivady. (20-01-2021)
Tamin’izany andro izany, niantso ny roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy i Jesoa, ka naniraka azy handroaka ny fanahy maloto. Ary noraràny tsy hitondra na inona na inona eny an-dalana izy ireo na kitapo, na mofo, na farantsa kely varahina amin’ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany, fa ny tongotra no asiana kapa, ary tsy mitondra akanjo roa. Ary hoy koa Izy taminy : “Na aiza na aiza halehanareo, dia mitoera amin’izay trano hidiranareo ambara-pialanareo. Ary raha misy tsy mampiantrano na tsy mihaino anareo, dia mialà ao ka ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo ho fiampangana azy.” Dia nandeha izy ireo ka nitory tamin’ny olona fa tsy maintsy mibebaka izy, sy nandroaka demony maro, ary nanosotra diloilo ny marary betsaka sy nanasitrana azy.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco