Ny 31 mey no andro maneran-tany tsy hifohana sigara, entanina ny olona rehetra mba tsy hifoka sigara sy tsy hividy sigara manomboka amin'io daty io. Ny nanamboatra ny sigara voalohany dia mpangataka, teratany Espagnole ; notsakoina taloha ny sigara fa taty aoriana vao nofonosina. Mety aretina maro sy mafy kokoa ho an'ireo tsy mpifoka sigara, izay mahafoka tsinahy setroka sigara, amin'ny toerana samihafa no azony noho ny an'ireo tena mpifoka. Azo atao tsara ny manampy ny olona te hiala sigara, ara-tsaina, ara-batana. Ireo fototra afahana miala sigara : fanapahan-kevitra hiala sigara ; faharoa tsy mividy sigara intsony ; fahatelo mifoka rivotra madio 10 minitra isa-maraina ; fahaefatra manadio ny aty vava, misotro rano iray vera isan'ora...

♦ Miantso fifampidinihana an-databatra boribory iarahana mitady vahaolana amin'ny olana samihafa misy ankehitriny amin'ny raharaham-pirenena ny eo anivon'ny FFKM. Namoaka hafatra ho an'ny pantekôty izy ireo... ♦ Andro vitsy mialohan'ny hikatonan'ny fisoratana anarana amin'ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, malaindaina manoratra anarana ireo olom-pirenena tsy mbola nahavita izany ho an'ny fokontany sasany ao an-drenivohitra... ♦ Nanao tatitra tamin'ny solombavambahoaka ny Ministry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana. Maro ny tetik'asa tanterahan'ny Ministera tantanany hoy Andriamatoa Edgard Razafindravahy...

♦ Notanterahana omaly ny sonia ny fanamboarana ny foibe famokarana herinaratra amin'ny alalan'ny riandrano vao Volobe. Hamaly ny filan'ireo olona maherin'ny 2 tapitrisa ny tetik'asa... ♦ Nanentana ny olom-pirenena hanefa ny anjara adidiny amin'izao vanim-potoana mialohan'ny fifidianana izao ny filohan'ny antenimieran-doholona. Nitsidika biraom-pokontany tao amin'ny boriborin-tany faha-IV ao Antananarivo renivohitra Andriamatoa Razafimahefa Herimanana omaly... ♦ Natomboka omaly tamin'ny alalan'ny atrik'asa ny andiany faha-enina amin'ny fandaharan'asa PLAE. Tantsaha 150.000 no hisitraka tombontsoa amin'ireo tetik'asa avy amin'ny Faritra miisa 05, iasany...

Raha ny fomba fijerintsika mitsara tsy miangatra, mety ve ny samy maka hoazy, eny fa na dia hamonoana ny ain’ny hafa aza, na dia hanapotehana ny fiainany mba hahafahako mivelona sy miadana kokoa amin’ity fiainana ity?. Mampadinika antsika ny fomba fihetsika ny olona manodidina antsika amin’izao fotoana iainana izao. Katesizy momba ny firahalahian'ny olombelona ho amin'ny firaha-miaina sy ny fisia-miaraka, iarahana amin'i P. Laurant Ratinarivo. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...