Tamin’izany andro izany, i Jesoa raha tao amin’ny tanàna anankiray, dia indro nisy lehilahy rakotry ny habokana nahita Azy, sy niankohoka nitaraina taminy nanao hoe: “Tompoko, raha mety Ianao, mahay manadio ahy.” Dia naninjitra ny tanany Izy nanendry azy, sy nanao hoe: “Mety Aho, madiova ianao”, ka afaka niaraka tamin’izay ny habokany. Noraran’i Jesoa tsy hilaza izany na amin’iza na amin’iza izy. Ary hoy Izy: “Mandehana misehoa amin’ny mpisorona, ka manatera ny fanatitra noho ny fahasitrananao, araka ny voadidin’i Môizy, mba ho vavolombelona amin’ny olona.” Fa mainka niely ny lazany, ka nirohotra be dia be ny vahoaka mba hihaino Azy sy mba hositraniny amin’ny aretiny; Izy kosa anefa amin’izany dia nihataka nankany an’efitra ka nivavaka tao.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia nentin’ny herin’ny Fanahy niverina tany Galilea indray, ary niely tamin’ny tany manodidina rehetra ny lazany. Nampianatra tao amin’ny sinagôgan’izy ireo Izy, ka nankalazain’izy rehetra. Nony tonga tany Nazareta tanàna nahabe Azy Izy, dia niditra tao amin’ny sinagôga araka ny fanaony tamin’ny andro sabata, ary nitsangana hanao ny famakian-teny. Natolotra Azy ny bokin’i Izaia Mpaminany, ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe: “Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka Ahy hankahery ny torotoro fo, hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahoriana ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo sy ny andron’ny famaliana.” Nony nahorony ny boky dia naveriny tamin’ny mpitandrina ka nipetraka Izy, ary nifantoka tany aminy avokoa ny mason’izy rehetra tao amin’ny sinagôga. Dia rafitra niteny taminy indray i Jesoa nanao hoe: “Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany.” Ary nankalaza Azy izy rehetra, sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany.
Tamin’izany andro izany, rahefa nampitombo ny mofo i Jesoa, dia notereny hiondrana an-tsambo kely niaraka tamin’izay ny mpianany, mba hialoha Azy eny am-pita ho any Betsaida, ambara-pandravany ny vahoaka; ary rahefa avy nanao veloma ny olona Izy, dia nankany an-tendrombohitra mba hivavaka. Nony hariva ny andro, ny sambo kely dia efa mby teny ampovoan’ny ranomasina, ary i Jesoa irery no teny an-tanety. Ary hitany izy ireo sahirana nivoy mafy erý fa notohain’ny rivotra, ka tokony ho tamin’ny fiambenana fahefatra tamin’ny alina, dia nandeha teny ambonin’ny ranomasina Izy nankeo aminy, ka saika handalo azy. Kanjo nony nahita Azy nandeha teny ambony rano izy ireo, dia nataony ho matoatoa ihany ka niantsoantso mafy izy, fa nahita Azy avokoa izy rehetra ka raiki-tahotra erý. Niaraka tamin’izay dia niteny taminy Izy nanao hoe: “Matokia, fa Izaho ihany, ka aza matahotra.” Ary niakatra teo aminy eo an-tsambo kely Izy, dia nitsahatra ny rivotra, ka talanjona fatratra izy ireo, fa tsy azony an-tsaina itý fahagagana tamin’ny mofo teo noho ny hadonton’ny fony.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nahita vahoaka betsaka ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy manam-piandry izy ireo ; dia nampianatra azy zavatra maro Izy. Nony hariva ny andro dia nanatona Azy ny mpianany nanao hoe : “Ny tany efitra ; ny andro efa hariva, ka alefaso ny olona handeha hividy hanina any amin’ny tanàna sy ny vohitra manodidina.” Fa izao no navaliny azy ireo : “Omeonareo hanina izy.” Ka hoy ireo taminy : “Handeha hividy mofona denie roanjato va izahay ka homenay azy hohaniny ?” Ary hoy Izy taminy : “Manana mofo firy ianareo ? Mandehana hoe zahao.” Ary rahefa nozahany, dia hoy izy : “Mofo dimy sy hazandrano roa.” Dia nasainy hampipetraka ny olona rehetra hatao antokotokony eny amin’ny ahi-maitso izy ireo ; ka nipetraka mitsitokotoko izy, ny sasany zato, ary ny sasany dimampolo. Dia noraisiny ny mofo sy ny hazandrano roa, ary niandrandra ny lanitra Izy, ka nitsodrano. Rahefa izany novakìny ny mofo dia nomeny ny mpianany mba harosony eny anoloan’ny olona, ary nozarainy tamin’izy rehetra koa ny hazandrano roa. Dia nihinana izy rehetra ka voky ; ary ny sombintsombin’ny mofo sy ny hazandrano sisa tsy lany nahafeno sobiky roa ambin’ny folo ka nentiny nody. Dimy arivo lahy anefa no isan’ny nihinana tao.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco