Vakiteny voalohany

Bokin'ny Jenezy (Jen 3, 9-15. 20)

Renin’ny olombelona rehetra.

Rehefa nihinana tamin’ny voankazo i Adama,
dia niantso azy ny Tompo Andriamanitra nilaza taminy hoe:

“Aiza moa ianao?”

Hoy ny navaliny:

“Nandre ny feonao tao anaty saha aho,
ka natahotra fa mitanjaka, ka dia niery aho.”

Ary hoy ny Tompo Andriamanitra:

“Iza no nahafantaranao fa mitanjaka ianao?
Moa nihinana tamin’ny hazo noraràko tsy hihinananao va ianao?”

Hoy ny navalin-dralehilahy:

“Ny vehivavy izay napetrakao eto amiko
no nanome ahy tamin’ilay hazo dia nihinana aho.”

Hoy ny Tompo Andriamanitra tamin-dravehivavy:

“Ahoana no nanaovanao izany?”

Hoy ny navalin-dravehivavy:

“Ny bibilava no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.”

Hoy ny Tompo Andriamanitra tamin’ny bibilava:

“Noho ianao nanao izany,
dia voaozona ianao amin’ny biby rehetra eny an-tsaha:
hikisaka amin’ny kibonao ianao
ary vovo-tany no hohaninao
amin’ny andro rehetra hiainanao.
Ary hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy,
ny taranakao sy ny taranany:
izy hanorotoro ny lohanao,
ianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony.”

Ary Eva no nataon’i Adama anaran’ny vadiny,
satria izy no renin’ny olombelona rehetra.

— Izany àry ny tenin'ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 1, 12-14)

Naharitra nivavaka izy rehetra niaraka tamin’i Maria Renin’i Jesoa.

Tamin’izany andro izany;
nony tafakatra any an-danitra i Jesoa dia niverina tany Jerosalema ny Apôstôly,
avy teo amin’ny tendrombohitra atao hoe Oliva,
izay lalana azo aleha sabata raha eo Jerosalema.
Nony tonga, dia niakatra tao amin’ilay rihana fitoerany izy ireo,
dia i Piera sy i Joany, i Jakôba sy i Andre, i Filipo sy i Tômà, i Bartelemy sy i Matio,
i Jakôba zanak’i Alfe sy i Simôna Zelôty, ary i Joda rahalahin’i Jakôba.
Niray saina izy rehetra,
ary naharitra nivavaka niaraka tamin’ny vehivavy sasany,
sy i Maria Renin’i Jesoa, ary ny rahalahiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany (Jo 19, 25-34)

Indro ny zanakao. Indro ny reninao.

Ary nitsangana teo akaikin'ny hazo fijalian'i Jesoa
ny reniny sy ny rahavavin-dreniny,
dia Maria vadin'i Kleofasy, ary Maria Madelena.
Nony hitan'i Jesoa ny reniny sy ilay mpianany malalany
nitsangana teo akaikiny, dia hoy izy tamin-dreniny:

" Ravehivavy, indro ny zanakao."

Ary hoy koa izy tamin'ilay mpianatra:

" Indro ny reninao."

Ka hatramin'izay dia noraisin'ilay mpianatra ho any aminy izy.
Nony afaka izany, dia fantatr'i Jesoa
fa efa tanteraka ny zavatra rehetra,
ka hoy izy mba hahatanteraka ny Soratra Masina:

" Mangetaheta aho."

Ary nisy bakoly feno vinaingitra kosa teo,
ka nalaina ny sponjy novontosana vinaingitra,
sy notohizana tamin'ny hazo hisopy,
dia natohoka teo am-bavany.
Vao nanandrana ny vinaingitra izy dia nanao hoe:

" Tanteraka ny zavatra rehetra."

Dia nanondrika ny lohany izy ka niala aina.

Ary andro fiomanana tamin'izay, ka nangataka tamin'i Pilaty ny Jody
mba hotapahina ny ranjon'izy ireo, dia hoesorina,
mba tsy hisy faty mihantona amin'ny hazo fijaliana amin'ny andro sabata
(fa andro lehibe izany sabata izany).
Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon'ny voalohany
sy ny an'ilay anankiray niara-nofantsihana taminy koa;
fa nony nankeo amin'i Jesoa izy ireo,
dia hitany fa efa maty sahady izy,
ka tsy mba notapahiny ny ranjony.
Fa nolefonin'ny miaramila anankiray kosa ny lanivoany,
ka nisy ra sy rano nivoaka niaraka tamin'izay.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Ilàna fiomanana ny fanambadiana fa tsy atao fahatany, toraka izany koa ny firosoana amin'ny firaisana ara-nofo. Raha hiresaka amin'ny olona manana olana, dia tsy maintsy fantarina aloha ny antony nisian'ny olana, amin'ny alalan'io no hamaritana ny vahaolana, izany hoe mila faharesen-dahatra. Na inona na inona zava-mahadomelina raisin'ny ray aman-dreny mandritra ny fahariana ilay zanany dia tsy maintsy misy fiatrakiny amin'ilay zanany izany.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 2, 1-11)

Samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra ary nanomboka niteny.

Nony tonga ny andro Pantekôty,
dia tafavory tao amin’ny trano anankiray ny Apôstôly rehetra,
ary tampoka injay nisy feo avy any an-danitra
toy ny rivotra nifofofofo mafy ka nahenika ny trano nitoerany:
sady nisy lela maro mitarehina afo niseho taminy sy nizarazara
nipetraka teo amboniny tsirairay avy,
ka samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra
sy niteny tamin’ny fiteny maro samihafa,
araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy avy.

Ary nisy Jody mpivavaka tsara nitoetra tao Jerosalema,
avy tamin’ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra,
nony nahare izany izy ireo,
dia nidodododo maro be ka very hevitra izay tsy izy,
fa samy nandre azy ireo niteny ny fiteniny avy izy rehetra.
Gaga sy talanjona izy ireo, ka vaky nanao hoe:

“Endre, tsy avy any Galilea daholo va ireo miteny ireo?
Ka nahoana àry ity isika no samy mandre azy
miteny ny fitenin-drazantsika avy;
dia ny Parta, ny Meda, ny Elamita sy ny mponina any Mezôpôtamia,
Jodea, Kapadôsa, Pônto, Azia, Frijia, Panfilia, Ejipta,
ary ny any Libia akaikin’ny Sirena, sy ny vahiny avy any Rôma,
na Jody na prôzelita, ary ny any Kreta sy ny Arabo,
dia ahoana no samy mandre azy ireo
milaza amin’ny fitenintsika avy ny zava-mahagaga
ataon’Andriamanitra isika rehetra?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 103, 1ab sy 24ad. 29bd-30. 31 sy 34

Alefanao ny fofon’ainao, ry Tompo, ka mihavao ny endriky ny tany.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko
lehibe indrindra Ianao, ry Andriamanitro;
fiandrianana sy voninahitra no itafianao.
Maro tokoa ny asanao, ry Tompo
sady vita amim-pahakingana.

Ny tany henika ny harenao.
Ny fofon’ainy alanao: mody mandry izy;
ny fofon’ainao alefanao: àry izy,
ka indro mihavao ny endriky ny tany.
Mandrakizay ny voninahitry ny Tompo.
Hifaly amin’ny asany anie ny Tompo!
Ho tonga anatrehany anie ny vetsoko:
ny Tompo, ny ahy, no fifaliako.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 12, 3b-7. 12-13)

Fanahy iray ihany no nanaovana Batemy antsika rehetra mba ho vatana iray ihany isika.

Ry kristianina havana, tsy misy afa-milaza hoe:
“i Jesoa no Tompo”,
raha tsy amin’ny Fanahy Masina.
Maro samihafa ny fanomezana, nefa iray ihany ny Fanahy;
maro samihafa ny fanompoana, nefa ny Tompo iray ihany,
ary maro samihafa ny asa, nefa iray ihany Andriamanitra
izay manao ny zavatra rehetra amin’ny olona rehetra.
Samy omena ny fanomezana maneho ny Fanahy izy tsirairay avy,
mba hahasoa ny be sy ny maro.
Fa toy ny maha iray ny vatana, na dia maro rantsana aza,
sy toy ny maha-vatana iray ny rantsam-batana, na dia maro aza izy,
dia toy izany koa i Kristy.
Fa Fanahy iray ihany no nanaovana Batemy antsika rehetra,
mba ho vatana iray ihany isika na Jody na Jentily,
na mpanompo na tsy mpanompo;
ary Fanahy iray ihany no nampisotroana antsika rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Antsa amin'ny Fanahy Masina

Avia, ry Fanahy Masina ô, arotsahy re avy any an-danitra ny tsirim-pahazavanao.

  1. Avia re, ry Rain’ny malahelo,
    Mpizarazara fanomezan-tsoa,
    Avia re, Mpisolo vava anay.

  2. Avia, ry Mpanafaka alahelo,
    Fa maminay e ny honenanao.
    Avia re, Mpamelombelona ô.

  3. Fiadananay raha sendra ka mijaly,
    Fialofanay raha sendra maina andro,
    Avia re, Mpanampitamby ô.

  4. Fenoy ny tsirim-pahazavanao
    Ny fon’izay rehetra mino Anao:
    Avia re, ry hasambaranay.

  5. Zahay anie raha sendra ilaozanao
    Dia zava-poana feno fahotana,
    Avia re, ry Mpankahery anay.

  6. Diovy re ny fo izay feno ota,
    Ka tsofy rano tsy ho karankaina,
    Avia re, sitrano ny fonay.

  7. Lefaho re ny olona maditra,
    Ny matimaty ovao ho maimay,
    Avia re, Mpanitsy dia anay.

  8. Ireny fanomezanao fito
    Omeo anay vahoaka mino Anao,
    Avia re, matoky Anao izahay.

  9. Omeo anay ny hatsaram-panahy,
    Ny famonjena nony miala ety,
    Omeo anay ny hasambaranao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino;
ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 19-23)

Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa: Raiso ny Fanahy Masina.

Ny harivan’ny Paka ilay andro voalohan’ny herinandro,
raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra
noho ny fahatahorany ny Jody,
dia tonga i Jesoa ka nitsangana teo afovoany
sy nilaza tamin’izy ireo hoe:

“Homba anareo anie ny fiadanana!”

Nony efa nilaza izany Izy,
dia nasehony azy ireo ny tanany sy ny tratrany,
ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo.
Dia hoy indray Izy tamin’izy ireo:

“Homba anareo anie ny fiadanana!
Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa”.

Rehefa nilaza izany Izy dia nitsoka
ka nanao tamin’izy ireo hoe:

“Raiso ny Fanahy Masina,
ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela
ary izay hotananareo dia ho voatana”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Hifandimby hanao tatitra amin'ny solombavambahoaka sy hamaly ny fanontanian'izy ireo, manomboka anio ireo ministra isan-tokony... ♦ Mahafantatra ny tompon'antoka tamin'ny fidirana antsokosoko tao amin'ny trano fonenany ny faran'ny herinandro teo, ny filohan'ny antenimieram-pirenena... ♦ Lany tao amin'ny asam-baomiera, tsy nisy nitsipaka ary tsy nasiam-panovana, tao amin'ny antenimieran-doholona omaly, ny lalàna mifehy ny fampiasam-bola eto Madagasikara... ♦ Nambaran'ny mpitondra Rosiana fa ravan'izy ireo, ireo miaramila avy any Ukraine, tafiditra antsokosoko tany amin'ny faritra Rosiana tany Belgourode...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...