♦ Tsy manana kandidà ny Eglizy Katôlika amin'ny fifidianana, hoy ny Fivondronamben'ny Eveka, tamin'ny hafatra nomeny. Nambaran'izy ireo fa olo-marina sy hendry ary tia tanindrazana, no mendrika hofidiana... ♦ Namafisin'ny Filankevitry ny Minisitra ny alarobia teo, fa 238.800 Ariary, ny karama farany ambany. Tsy misy intsony ny fanampiana avy amin'ny fanjakana amin'ny fandoavana azy io... ♦ Hotapahana amin'ny alahady izao ny fampiantranoan'i Madagasikara, na tsia, ny Lalaon'ny Nosy aty amin'ny Ranomasimbe Indiana. Miatrika fivoriana eto Antananarivo ny Kômitin'ny Lalaon'ny Nosy, mandinika izany...

Manoloana ny fenendrena dia maneho ny fankasitrahana ny Fiketrahana Masina sy mitondra ny teny fiarahabana ho an’i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, ny Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina.

Notendren’ny Papa François ho Eveka mpanampy ao amin’ny diosezin’i Morondava, androany 19 mey 2023, i Mompera Jean Nicolas Rakotojaona, Pretra diosezanina avy amin’ny diosezin’Antananarivo. Teraka ny 18 janoary 1973 tao Anosy avaratra, Antananarivo, i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona. Zanak’i Rakotojaona Jean Pierre sy Razafinjaika Hélène.

♦ Namoaka hafatra ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, omaly. Nasian'izy ireo teny avokoa ireo tranga mahazo ny fiaraha-monina sy ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny... ♦ Tsy mila tetezamita ny Rodoben'ny Mpanohitra, araka ny fanambarana ôfisialy nataon'izy ireo. Mitaky ny amoahan'ny fitondrana ny datim-pifidianana ihany koa ny RMDM, tamin'ny fanambarany... ♦ Noroahana eo anivon'ny Tafika Malagasy, ireo miaramila enin-dahy nikasi-tànana sivily teny Avaradoha. Mamo izy ireo, rehefa avy nisotrosotro, ka nanakorontana sy nandratra olon-tsotra anankiroa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...