♦ Tsy miombon-kevitra amin'ilay tolo-dàlana hanitsiana ny lalàm-pifidianana izay novolavolain'ny fiarahamonim-pirenena sy ny mpanao pôlitika vitsivitsy, ny KMF/Cnoe. Mbola tsy voafaritra ao anatin'ny lahadinika nolanian'ireo Solombavambahoaka ny fandinihana io tolo-dàlana io... ♦ Mitaky ny fametrahana ny ANRCM ny antoko MMM. Efa eny amin'ny Primatiora kosa ny fandinihana izany, hoy ny Minisitry ny serasera... ♦ Hitohy ka haharitra andiny roa ny maraina, ary andiny roa ny hariva, ny fahatapahan-jiro ho an'ny tambazotra iraisan'Antananarivo...
Rehefa mifanakalo na miady hevitra ny olona roa dia mahita teny ierana. Ny hevitra no ampiadiana fa tsy ny olona, ny fifanakalozan-kevitra dia fampianarana antsika hitaiza fihetseham-po ary koa fankatoavana ny zon'ny olona iray haneho ny heviny. Ny fifampihainoana dia mariky ny fahamatorana. Maro ny voka-dratsin'ny tsy fifampihainoana eo anivon'ny fianakaviana, isan'ireny ny olan'ny tanora. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB.
5 mey 2023 — Zoma, Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 1-6)
♦ Tsipahan'ny KMF/Cnoe ny fisian'ny tolo-dàlana vaovao hanitsiana ny làlam-pifidianana. Tsy mahasolo tena ny vahoaka ireo namolavola io tolo-dàlana io, fa fakan-kevitra isam-paritra no tokony ho natao... ♦ Nomelohin'ny Fitsarana hiasa an-terivozona 7 taona, Ramatoa Raissa Razaivola. Niteny ampahibemaso izy androany, fa noterena handiso ny zavatra nolazainy, momba ireo mpanondrana volamena an-tsokosoko... ♦ Voatazona ho 285.000 Ariary ny karama farany ambany eto Madagasikara, amin'ity taona ity. Nampiaka-peo ny Randrana Sendikaly fa mamono mpiasa malagasy izany...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco