♦ Niakatra teo anivon'ny Fampanaovana teny Anosy omaly ireo olona voarohirohy tamin'ny fikasana hanao hetsika fanakorontanana sy fikasana hanimba fananam-panjakàna tamin'ity volana avrily ity. Isan'ny voarohirohy tamin'izany ilay teratany Frantsay miaramila teo aloha Guy Barret sy Kôlônely Patrick Rakotomamonjy... ♦ Masoivoho maromaro no notendrena nandritra ny filan-kevitry ny ministra hiasa amin'ny firenena aty Afrika sy any Eraopa... ♦ Maherin'ny 840.000 ny aina very vokatry ny loza amperin'asa maneran-tany. Manodidina ny 12 miliara Dollar ny fatiantoka hateraky ny olana ara-tsaina any amin'ny toeram-piasana...
Ny fivoarana sy ny fandrosoana : Manambara fifindrana, na ezaka na hetsika, ho amin'ny toerana tsara kokoa. Ireto fototra dimy ireto no tokony hifandanja mba handavorary ny fandrosoana : ara-batana, ara-tsaina, ara-po, ara-panahy sy ny maha-olona ara-piaraha-monina. Toetra sakana : Mifosa mandany fotoana sy manakorontana ny fiaraha-monina... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco, niarahana tamin-dRamatoa Aliette Abaraham.
♦ Manohy ny atrik'asa momba ny fihaonambe ara-miaramila izay efa natomboka tamin'ny 26 janoary ny foloalindahy Malagasy. Hitohy anio ny fandravonana ny hevitra sy ny toromarika avy amin'ny tafika manerana an'i Madagasikara... ♦ Mitaky ny fitarihana haingana ny fikaonandoha hamaritana miaraka ny zotra sy fomba fiasa mandritra ny tetezamita (Satan'ny Tetezamita) ho an'ny fanavaozana ny firaisamonim-pirenena sy ireo vondrona, fikambanan'ny tanora maro... ♦ Niravona ny disadisa teo amin'ny mpitàna fomba sy ny taranak'Andriana Zanak'Ambohidratrimo taorian'ny fifandanminana ary tafajoro ny komity hanarina ny rova...
Raha diso amin'ny adidy ara-nofo ny olombelona dia diso eo anatrehan'Andriamanitra. Ny Kristiana dia olom-pirenen'ny tany sady olom-pirenen'ny Lanitra. Amin'ny alalan'ny fihetsika andavanandro no anehoana finoana. Ny eveka dia mitarika ny Eglizy ka adidiny, otronin'ireo pretrany ny hitory ny hevitr'i Krisy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny anjara-raharahan'ny Eglizy amin'izao androntsika izao" iarahana amin'i Mgr. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco