Mankalaza ny misterin'ny Paka ny Eglizy, araka ny lovam-pampianaran'ny apôstôly efa hatramin'ny andro nitsanganan'i Kristy ho velona mihitsy, isaky ny andro fahavalo, izay tena antsoina marina hoe Andron'ny Tompo, na alahady. Ny andro nitsanganan'i Kristy ho velona dia sady "andro voalohany amin'ny herinandro" no "andro fahavalo"... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
♦ Miantso ny mponina samy ho mailo manoloana ny rotsak'orana nisesisesy tato ho ato ny tompon'andraikitra ao amin'ny kaominina Antananarivo-renivohitra. Efa nisy mantsy hoy izy ireo ny tamboho nirodana tamin'ny faritra avo. Efa nisy koa ireo nazera... ♦ Tsy voahaja ny fifanarahana ara-tsosialy niarahan'ny orinasa mpitrandraka fasimainty ao Taolagnaro sy ny Fanjakàna hoy ny vovonan'ny firaisamonim-pirenena any amin'ny Faritra Anosy... ♦ Tsy nahafapo ny mpiasan'ny orinasa Madarail ny fihaonan'izy ireo tamin'ny solontenan'ny Ministeran'ny Fitanterana sy ny famantarana ny toetr'andro. Hiroso amin'ny fitokonana faobe ireo mpiasa...
♦ Hosokafana amin'ny fomba ôfisialy ny alarobia 10 desambra izao, raha tsy misy ny fiovàna ny dinika ho fanavaoazam-pirenena, karakarain'ny FFKM. Fampivondronana ny olona rehetra tsy ankanavaka ho fanangonan-kevitra no iraka nankinina amin'ny FFKM... ♦ Tonga nanatitra vata mpanova herinaratra (transformateur) miisa 28 ho an'ny orinasa JIRAMA eny Antanetibe-Ilafy, ny sabotsy 6 desambra teo ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Randrianirina Michaël sy ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo... ♦ Tsy miankina amin'ny fiovam-pitondrana teto Madagasikara ny tetik'asa tanterahan'ny FID tahirim-bola ho an'ny fambandrosoana...
♦ Eglizy mitondra ny anaran'i Victoire Rasoamanarivo Olontsambatra, no tsangambaton'ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diôsezin'Antananarivo, izay notsofin-drano nadritry ny fivahinianana Masina nataon'ny Kristiana teo Ampahateza-Ambohipo, omaly... ♦ Mitaky ny hisamborana sy hanaovana fanadihadiana an'ireo olona tratra nangalatra vy tao amin'ny orinasa SUCOMA Analaiva-Morondava ny Evekan'i Morondava Mgr Maria Fabien Raharilamboniaina... ♦ Mpiasa miisa 7 amina orinasa iray mpamokatra toaka no nahiditra am-ponja vonjimaika tsy ara-drariny eny Antanimroa, efa ho 4 volana izao...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco