♦ Tsy mbola midina mihitsy ny vidin'ny vary vokarina eto an-toerana, na dia efa ao anatin'ny vanim-potoanan'ny fararano aza isika. Misy tafakatra hatramin'ny 4.100 Ariary ohatra ny kilaon'ny vary mena sy ny makalioka eto Antananarivo... ♦ Hanohana antsika amin'ny tetik'asa hanatsaràna ny fomba fiasa eo anivon'ny fadintseranana i Korea-atsimo, hanafainganana ny famoahana entana. Vola maherin'ny 5 tapitrisa dôlara no enti-manana amin'izany... ♦ Mitombo ny isan'ireo vehivavy voan'ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza eto Madagasikara. Miisa 44 isaky ny 100.000 no tratran'izany, noho ny tsy fanaovana fitiliana, hoy ny fikambanana tsy miankina "Douleur sans frontière"...
♦ Ho tanterahina amin'ny taona ho avy ny fihaonambem-paritra hiarahan'ireo Faritra 23 eto Madagasikara sy ireo Faritra ary departemantan'ny Frantsay miisa 10... ♦ Manodidina ny 777 miliara Ariary ny vola very, tokony niditra tao amin'ny kitapom-bolam-panjakana, tamin'ny fivarotana volamena tany ivelany, teo anelanelan'ny 2018-2021... ♦ Saron'ny mpiasan'ny fadin-tseranana, afakomaly tany Toliary ny basy miisa 10 sy bala maro, voalaza ho tsy ara-dalàna, tany amin'ny seranam-piaramanidina Toliary ; efa mandeha ny fanadihadiana...
Ny atao hoe zava-mahadomelina : zavatra hampidirina amin'ny vatana ary manakorontana ny asa voanjanaharin'ny taova ao anaty, ary mety mahafaty ihany koa, na ihany koa atao hoe poizina. Ny zava-mahadomelina dia manova ny fomba fandinihana sy ny fomba fandraisana ny zava-misy, ary ny fitadidiana. Ny zava-mahadomelina dia mitarika fiankinan-doha. Ny kafe dia tsy ao anatin'ny sokajin'ny zava-madomelina satria tsy manova ny fomba fandinihana zavatra iray. Fandaharana "amperala miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco...
♦ Ny 70,80% amin'ny mpifidy voasoratra anarana ankehitriny no voadio. Mbola manana hatramin'ny 31 mey izao ny olom-pirenena, hanatonana indray ny eny anivon'ny Fokontany, hanamarinany ny anarany... ♦ Niantso ny mpitondra Fanjakana hanaja ny fahafahan'ny rehetra maneho hevitra ny antoko Malagasy Miara-Miainga... ♦ Arindra sy hamafisina ny fiaraha-miasan'ny miaramila, ny pôlisy ary ny zandary, hametrahana fandriam-pahalemana eto amin'ny firenena, hiatrehan'ny Malagasy ny fifidianana am-pitoniana... ♦ Farafahakeliny 50 isa ny olona maty tany Birmanie omaly, vokatry ny daroka baomba nataon'ny mpioko izay eo amin'ny fitondrana ankehitriny...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco