♦ Feno dia feno ny fandaharam-potoanan'ny Antilin'i Madagasikara mialoha ny Sorona Masina ho fanokafana ôfisialy ny  faha-100 taonany. Misy ny tsara ho fantatra mikasika ny fandaharam-potoana... ♦Nanantitrantitra ny amin'ny tokony hanajàna ny asa mba hiverenan'ny fahatokisan'ny vahoaka ny Fitsaràna ny Ministry ny Fitsarana Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Manatanteraka fidinana ifotony any Avaratry ny nosy Ramatoa Ministra ankehitriny... ♦ Ny 19 may hatramin'ny 21 may no hanatanterahana ny fifaninanana handraisana mpandraharahan'ny fonja... 

Ny fanarararaontam-pahefana dia tsy eken'ny Eglizy. Tsy mifanaraka amin'ny fijerin'ny Eglizy ihany koa ny tsy mikatsaka ny soa iombonana na ireo diso tanjona amin'ny fanangonan-karena sy ny fanarararaotana ny fahafantaran'olona. Ho an'ny Egilzy dia zava-dehibe ny  soa iombonana voazara araka ny tokony ho izy, mitovy sy tsara tantana izany  no antoky ny fampandrosoana. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Sabotsy 25 marsa 2023 — Ny nilazana fa haka nofo ny Tompo — Fankalazana manetriketrika — Tonga nofo ny Teny ka nonina taty amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 26-38)

♦ Voasolo tena avokoa ireo ankolafin-kery rehetra, nandritra ilay fampihaonana momba ny zotram-pifidianana, nokarakarain'ny CENI androany, teny Alarobia... ♦ Niala tsy ho ao anatin'ny kômity mpanara-maso eo anivon'ny Fitsarana miady amin'ny kolikoly, na PAC, intsony ny Fiarahamonim-pirenena. Nanao fanambarana izy ireo androany, nilaza fa miteraka korontana ara-pitantanana ilay lalana Idealson, nolaniana tamin'ny taona 2021... ♦ Tsy nisy afa-tsy 7,84% ny taham-panaovam-bakisiny fanefitry ny Covid-19, teto Madagasikara, tao anatin'ny roa taona. Nahazo daozim-bakisiny "Pfizer" maherin'ny 7 alina indray isika Malagasy androany, hampitomboana isa izay fanaovam-bakisiny izay...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...