♦ Mitohy hatramin'ny faran'ny volana mey izao ny fanoratan'ny olom-pirenena ny anarany anatin'ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Miantso an'ireo izay mbola tsy nahavita izany ny CENI mba hanatona ny eny anivon'ny Fokontany misy azy... ♦ Miandrandra fifidianana madio sy milamina ny olom-pirenena hoy ny KMFCnoe. Miantso ny mpiasam-panjakàna tsy hiandany amin'ny kandidà mirotsaka amin'ny fifidianana izy ireo... ♦ Naneho ny ahiahiny manoloana ny toe-java-misy ankehitriny amin'ny mety ho sakana amin'ny fahalalahana maneho hevitra ireo mpanao gazety nifanakalo traik'efa tamin'ny Sampana Anarahamaso ny Fifidianana Safidy...

Toe-javatra tena mampalahelo ny fanelezana tsaho sy ny vaovao tsy marina, azo ambara ho tsy filaminan-tsaina ihany koa izy ity. Misy mahita fahafinaretana manoloana ny fisavorovoroana vokatry ny fanelezana tsaho. Misy ireo mitady laza amin'ny fanelezana tsaho sy vaovao diso. Tokony ho tsaroina mandrakariva fa tsy fanahy fotsiny isika ary tsy afaka hanome fahafaham-po ny olon-drehetra. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB. 

11 mey 2023 — Alakamisy, Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, mamindrà fo aminay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 9-11)

♦ Mitaky ampamoaka amin'ireo tsy nahatana ny fampanantenana nataony nandritra ny fampielezan-kevitra, ny fikambanana KMF/Cnoe Fanabeazana Olompirenena... ♦ Mbola mampiato ny asany ireo "Vacataires" eny amin'ny Polytechnique Vontovorona miisa 150, izay misahana ny 64%-n'ny asa fampianarana... ♦ Andrasana rahampitso, eny Tsimbazaza, ny fankatoavana ilay volavolan-dalàna mifehy ny harena ankibon'ny tany...

[Miara-dàlana] Zoma 8 aogositra 2025

• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...