Alarobia 15 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 22-26)
♦ Mandalo krizy ankehitriny ny tontolon'ny lavanila eto Madagasikara. Araha-maso akaiky ny fanondranana lavanila, hisorohana ny hosoka sy ny fanararaotana samihafa, hoy ny Minisitra Egard Razafindravahy... ♦ Nifampidinika hanohizana ny famatsiam-bola ny tetikasa Tatom, drafi-panajariana an-tanan-dehibe, ho an'Antananarivo sy Toamasina, ny mpiara-miombona antoka ara-teknika sy ara-bola... ♦ 14 febroary, andron'ny mpifankatia: Tamin'ny alalan'ny fanomezan-dra no nanamarihan'ny AFT eny Andavamamba izany. Famelabelarana momba ny lohahevitra : "Mahay mitia ve ?" no nentin'ny CDA Andohatapenaka nankalazana izany...
♦ Voasazy higadra 30 volana sazy mihatra ny ministry ny serasera teo aloha, Rolly Mercia. Nivoaka androany maraina ny didy momba ilay raharaha nitorian'Andriamatoa Mamy Ravatomanga azy amina raharaham-pitsarana any Frantsa... ♦ Manomboka ny fanamboarana maika ny lalam-pirenena faharoa mankany Toamasina. Ny volan'ny Fanjakana Malagasy anatin'ny RPI no entina hanaovana izany, hoy ny eo anivon'ny Ministeran'ny asa vaventy... ♦ Mbola mitoetra eto Madagasikara ny valanaretina Covid-19, na mihena aza ny isan'ny olona mitondra ny tsimok'aretina. Marary iray indray no namoy ny ainy ny herinandro teo, raha ny tatitry ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka...
Boky Levitika (Lev. 19, 1-2. 17-18)
Niteny tamin’i Môizy ny Tompo nanao hoe:
“Mitenena amin’ny fiangonan’i Israely rehetra,
lazao aminy hoe:Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho Andriamanitrareo.
Aza mankahala ny namanao ao am-ponao, fa mananara ny namanao,
mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy.
Aza mamaly ratsy, na manao an-dolom-po amin’ny zanaky ny firenenao.
Fa tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.
Izaho no Tompo Andriamanitrao.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 102, 1-2. 3-4. 8 sy 10. 12-13)
Isaory ny Tompo, ry fanahiko;
ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra!
Isaory ny Tompo, ry fanahiko:
ny soa avy aminy aza misy hadinoina.
Izy ilay mamela ny helokao rehetra,
sy manasitrana ny aretinao rehetra,
manavotra ny ainao amin’ny hady,
manototra fitiavana sy indrafo anao.
Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be fitiavana.
Tsy araka ny otantsika no ataony antsika,
na araka ny helotsika no avaliny antsika.
Tahaka ny atsinanana lavitry ny andrefana,
ny hadisoantsika halaviriny amintsika.
Tahaka ny ray mangoraka ny zanany,
ny Tompo mangoraka an’izay matahotra Azy.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 3, 16-23)
Ry kristianina havana,
tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra ianareo,
ka mitoetra ao anatinareo ny Fanahin’Andriamanitra?
Koa izay mandrava ny tempolin’Andriamanitra,
dia mba horavan’Andriamanitra kosa;
satria masina ny tempolin’Andriamanitra, dia ianareo izany.
Aza misy mamita-tena;
fa raha misy aminareo manao ny tenany ho hendry amin’izao tontolo izao,
dia aoka ho adala izy mba ho hendry.
Satria ny fahendren’izao tontolo izao,
dia fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra,
araka ny voasoratra hoe:
Ny hafetsen’ny hendry no hamandrihako azy;
ary koa hoe:
Fantatry ny Tompo ny hevitry ny hendry,
ary fantany fa zava-poana izany.
Koa aza misy manao olona ho reharehany, fa anareo ny zavatra rehetra,
na i Paoly, na i Apôlô, na i Sefasy, na izao tontolo izao,
na fiainana na fahafatesana, na ny zavatra ankehitriny,
na ny zavatra ho avy: anareo avokoa izany rehetra izany;
ianareo kosa an’i Kristy, ary i Kristy an’Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko;
ary hankao aminy Izahay, ka honina ao aminy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 38-48)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Efa renareo fa voalaza hoe:
Maso efai-maso, nify efai-nify.
Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hamaly ratsy akory;
fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao ankavanana,
dia atolory azy koa ny ilany;
ary raha misy te-hiady aminao mba hahazoany ny akanjonao,
dia afoizo ho azy koa ny lambanao;
ary raha misy manery anao hiaraka aminy arivo dingana,
miaraha aminy roa arivo.
Omeo izay mangataka aminao,
ary aza ilaoza-mihataka izay te-hisambotra aminao.
Efa renareo fa voalaza hoe:Ho tia ny namanao ianao ary hankahala ny fahavalonao.
Fa Izaho kosa milaza aminareo:
Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa amin’izay mankahala anareo,
ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo;
mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo,
dia Ilay mampiposaka ny masoandrony amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy,
ary mandatsaka ranon’orana amin’ny marina sy ny tsy marina.
Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valisoa ho azonareo?
Moa va na dia ny poblikanina aza tsy manao izany koa?
Ary raha ny havanareo ihany no arahabainareo, inona no mihoatra amin’ny ataonareo?
Moa na dia ny Jentily aza tsy mba manao izany ihany koa?
Koa aoka ho lavorary ianareo tahaka ny fahalavorarian’ny Rainareo izay any an-danitra”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco