Alakamisy 9 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 24-30)
♦ Tsara ny tahan'ny fampidiran-ketra tamin'ny taon-dasa teo. Nahatratra 3680 miliara Ariary mahery ny vola niditra tao amin'ny kitapom-bolam-panjakana, raha araka ny tatitry ny Foibem-pitantanana Ankapoben'ny Hetra... ♦ Manambana hitokona ny Randrana Sendikaly, noho ny fidinan'ny karama farany ambany amin'ny sehatra tsy miankina... ♦ Miato hatrmin'ny rahampitso ny fampianarana eny amin'ny Lisea Andohalo, noho ilay savorovoro nateraky ny fahaverezan'ny fiday lafo vidin'ny mpianatra iray. Niakatra filankevi-pifehezana teo anivon'ny sekoly, ny raharaha androany...
♦ Notsenaina tao Andriba, vavahadin'ny Diôsezin'i Mahajanga, tamin'ny tapany maraina teo i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Eveka vaovao ho an'ny Mahajanga... ♦ Tsy tokony hipetraka ny ady hevitra momba ny hisiana na tsy hisian'ny fifidianana amin'ity taona ity hoy ny Sampana Fanaraha-maso ny fifidianana SAFIDY... ♦ Miahiahy ny amin'ny fomba fiasan'ny CENI ao anatin'izao fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy izao ny antoko Malagasy Miara-Miainga. Namafisin'ny mpitondra tenin'ny Antoko Me Rakotomalala Rija fa efa nanaitra amin'ny tokony hanaovana audit ny logiciel ampiasain'ny CENI izy ireo saingy mijanona ho antso an'efitra izany hatramin'izao...
Ny fandaminana ny fandaharam-potoanan'ny ankizy dia miankina amin'ny taonany sy ny filàny. Manomboka eo amin'ny fahadimy taonany farafahatarany no hanabeazana ny ankizy kanefa hajaina ny filàny mba hampivelatra azy ara-tsaina. Ireo filàna fototra tsy azo hiodivirana dia ny torimaso sy ny sakafo, lalao sy fanantanjahantena... Ilain'ny ankizy ny fivoahana ivelan'ny trano mba ahafahany mandinika sy misintona lesona eny amin'ny fiaraha-monina sy mankafia ny tontolo iainana. Atao anatin'ny fandaharam-potoanan'ny ankizy ny fiarahana manao zavatra amin'ny lehibe : miresaka, milalao, mikirakira fitaovana, mamaky boky. Tokony tandremana ny fisafidianana olona hiandraikitra ny zanaka mandritra ny tontolo andro...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco