• Tsy isan'ireo nahazo fanasana amin'ilay fikaonandoham-pirenena ho an'ny fanabeazana hatao etsy amin'ny CCI Ivato, amin'ny alarobia izao, ny Sekoly Katolika eto Madagasikara... • Tsy nahazo fahafahana vonjy maika Ramatoa Rakotomanga Rinah, tao aorian'ny fanohanana nataon'ny mpisolovava azy... • Solontena nitondra ny feon'ny firenena Malagasy tany Dakar, nandritra ny andiany faha-76 amin'ny fivoriana tsy ara-potoana ho an'ny Komity Ivondronan'ireo Minisitra ao amin'ny ASECNA, ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro, Juste Créscent Raharisone...

♦ Nitsidika tampoka ny foiben-toeran'ny M'vola teny Ankorondrano, omaly, ny Ministry ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy Mirindra mantsy ny fahatapahana miverimberina amin'ny fampiasàn azy io tato ho ato. Efa miverina amin'ny laoniny izany ankehitriny... ♦ Be fanantenana ireo mpanondrana Letsia any amin'ny Faritra Atsinanana fa hitombo betsaka ny vola hiditra ao amin'ny kitapom-bolam-panjakàna amin'ity taona ity, noho ny fanavaozana nentina amin'ny fanondranana Letsia eto Madagasikara... ♦ Tsy mety eto Madagasikara ny fanaovana fifidianana mivantana andraisan'ny daholo be anjara, hoy ny Profesora Rakotonirina Solonjatovo, SG an'ny Antoko Fihavanantsika...

♦ Nisy fanavaozana ny sehatry ny fanondranana letsia teto Madagasikara tamin'ity taom-pihotazana 2025 ity. Nohalalahana ny sehatry ny fanondranana ; tsy nisy intsony ny ampihimamba nataon'ny mpandraharaha sasany... ♦ Raha ny fironana politika ankehitriny dia ny fandravàna ireo andrim-panjakàna rehetra eto amin'ny firenena no tokony atao aorian'ny fihaonambem-pirenena hoy ny ACS Fikambanana ivondronan'ireo Loholona sy mpikamban'ny filan-kevitra ambony an'ny tetezamita teo aloha... ♦ Mbola tsy tafaverina amin'ny asany, fito volana aty aoriana, ireo sendikalista telolahy mpiasa eo anivon'ny orinasa SMMC Toamasina, nahiditra am-ponja nandritra 2 volana sy herinandro...

Mila fahazarana ny famakiana ny Soratra Masina ; ao anatin'ny Soratra Masina no hakana ny teny vakiana sy ny toriteny noho izany dia tsy azo atao ambanin-javatra ny Soratra Masina ao amin'ny Litorjia. Ny Soratra Masina dia loharano fototra amin'ny Litorjia rehetra. Ny fankalazana rehetra dia tokony hanana laharana lehibe ho an'ny Tenin'Andriamanitra... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...