Manana adidy lehibe izay olona sy mpikambana voatendrin'ny Fiangonana hiandraikitra ny "Justice et Paix" mba hiaro tanteraka ny rariny sy ny hitsiny ary ny fandriam-pahalemana. Ny zo aman'adidy dia izay voafaritry ny lalàna sy ny fitsipika ifampifehezana, mifamatotra ireo ; Ny rariny sy ny hitsiny dia tsy hoe izay voafaritry ny lalàna no hampiarina fahatany fa fanapahan-kevitra voalanjalanja... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ny fanavaozana ny Litorjia dia tsy atao noho ny lamaody fa amin'ny antony lalina sy fototra (fahasoavana, fiombonana, finoana). Tsy maintsy mitandrina amin'ny fahamarinam-pampianarana sy manaja ny fomban-drazana masina ; ny Eglizy no mitahiry ny lova-panahy, tahirin-kevitra voahangona manaja ny lalàna. Alohan'ny hanavaozana dia atao ny fandalinana maro lafy... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Alahady 23 novambra 2025 : Alahady faha-34 mandavantaona — D — Fankalazana manetriketrika an’i Jesoa Kristy Mpanjakan’izao tontolo izao. I Kristy Mpanjaka hampiray sy hampandry fahalemana ny firenena rehetra. Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo; hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika. Mifarana anio ny taona litorjika ho an'ny Fiangonana ary hisantatra taona vaovao manomboka amin'ny alahady 30 novambra 2025, alahady voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo. Ny fanjakan'i Jesoa dia miavaka satria izy no Mpanjakan'ny aina, Mpanjakan'i fahamarinana, Mpanjakan'ny fiadanana sy ny famindram-po, ary Mpanjakan'ny fitiavana...
♦ Naneho hevitra manoloana ny filazana amin'ny fananany birao eny an-dapa i Hajo Andrianainarivelo, filoha nasiônalin'ny Antoko Malagasy Miara-Miainga... ♦ Efa misy sahady ireo diso fanantenana amin'izao dingana ataon'ireo mpitondra ao anatin'ny fanavaozana ny repoblikan'i Madagasikara izao ankehitriny, hoy ny TAFITA... ♦ Tsy fiaraha-miasa fotsiny fa fiaraha-mientana mihitsy no takiana amin'ireo hery fiarovana mba hahatontosany ny asany araka ny tokony ho izy, hoy ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo... ♦ Mihoara ny 200 ireo olona nisy naka an-keriny tao amin'ny sekoly katôlika iray ao afovoan'i Nigeria...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco