Ny firaisan-kina manova zavatra maro eo amin'ny fiainana. Ny sehatra rehetra misy fifandraisana, fifaneraserana dia ilàna firaisan-kina satria izany no fototry ny fandrosoan'ny tsirairay. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Mametraka fanamby hampiakatra ny tahan'ny fandoavan-ketra ho 15% ny foibem-pitantanana ankapoben'ny hetra hatramin'ny taona 2025. Mahavelombolo ny hetra niditra tamin'ny taona 2022 hoy ny tale jeneraliny... ♦ Hanampy ny tanora mpandraharaha hiditra amin'ny sehatry ny ara-dalàna ny Sendikàn'ny Indostria Malagasy. Napetraka ny Ivon-toeram-pitantanana ankatoavina. Fiara-miasan'ny SIM sy ny PNUD... ♦ Niravona ny disadisa nateraky ny fahaverezan'ny finday avo lenta teny amin'ny Lycée Andohalo. Efa notsoahin'ilay ray aman-drenin'ny mpianatra very finday ny fitoriana tany amin'ny mpitandro filaminana. Heverina hianatra ny mpianatra rahampitso taorian'ny fampihatoana 48 ora...
Mazava ny hafatr'i Jesoa tamin'ny mpianany : aoka isika ho fanasina sy ho fahazavana. Araka izay voasoratra ao amin'i Mt 5, 13 : Ianareo no fanasin'ny tany ; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, hatao ahoana no fanasina azy indray? Tsy ho azo atao inona intsony izy, fa dia hariana any alatrano hohitsahin'ny olona. Fehiny tsara ra mandeha mivoaka ny Eglizy mitory ny Evanjely sy ny fitiavan'Izy Ray. Katesizy momba ny fitiavan'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Alakamisy 9 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 24-30)
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco