♦ Hanamarika ny lanonam-paranana ny fivoriana ara-potoanan'ny Antenimieram-pirenena anio, ny fihaonana voalohany eo amin'ny Praiminisitra sy ireo Solombavam-bahoaka, tao aorian'ny tsy fahatanterahan'ilay fitsipaham-pitokisana ny Governemanta... ♦ Naka ny hevitry ny HCC manoloana ny fitsabahan'ny Filohan'ny Repoblika amin'ny raharahan'ny Antenimieram-pirenena, ary ny lanja araka ny lalana, ny fanambarana avy amin'ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena, manoloana ny fitsipaham-pitokisana ny Governemanta, ny HCDDED...

16 desambra — I Alice sy Adélaïde dia olona iray ihany. Mpanjakavavy niaina tamin'ny taonjato fahafolo izy io. Teraka tao Orba ny taona 931 i Alice. Zanaky ny mpanjaka Rodolphe II tao Bourgogne izy sy i Berthe avy any Souabe. Ny taona 647  izy no nanambady an'i Lothaire, mpanjaka tao Italie.

Lehibe ny hery sy tanjaka raketin'ny Tenin'Andriamanitra ka mahatonga izany ho fiankinana sy hery ho an'ny Eglizy sy ho an'ny zanany ary koa ho herin'ny finoan'izy ireo, ho sakafon'ny fanahiny, ary ho loharano tsy mety ritra. Ivon'ny Soratra Masina rehetra ny Evanjely, noho izy ireo manambara ny porofo ambony indrindra momba ny fiainana sy momba ny fampianaran'ny Teny tonga nofo. Katesizy momba ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Zoma 16 desambra 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Ampodio izahay, ry Tompo Andriamanitray ô, ny tavanao aseho dia ho voavonjy izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 5, 33-36

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...