♦ Tombanana hivoaka an-dranomasina amin'ny talata ilay rivo-doza Cheneso ary mihena hatrany ny heriny. Zazalahy kely herintaona sy tapany no maty ary olona iray tsy hita popoka vokatr'ity rivo-doza ity... ♦ Nivoaka tamin'ny fahanginany ny praiministra Ntsay Christian rehefa tsy haino naneho hevitra nanoloana ilay fitsipaham-pitokisana tsy tanteraka teny anivon'ny antenimieram-pirenena farany teo... ♦ Miakatra ny tahan'ny olona voan'ny tazomoka any Taolagnaro ao anatin'izao fotoam-pahavaratra izao... ♦ Voatendry ho praiministra vaovao any Nouvelle Zélange i Chris Hipkins...
Misy antony maromaro tsy mamparisika ny Kristiana tsy handeha hivavaka rehefa alahady : Mety ho tsy mazava ny fampianarana na tsy maharesy lahatra ; mety ho antony avy amin'ny mpitondra (fitondran-tena) ; mety ho hita taratra ny fitiavam-bola tafahoatra eo amin'ny mpitondra sasany ao amin'ny fiangonana. Katesizy momba ny fankamasinana ny andro alahady, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Sabotsy 21 janoary 2023 — Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy 3, 20-21
♦ Tsy misy ahiana intsony hatreto raha ny fivoaran'ilay rivodoza Cheneso. Amin'ny talata anefa izy vao mety ho tafavoaka any amin'ny Lakandranon'i Mozambika, ka mbola mitoetra ny fahabetsahan'ny rotsak'orana... ♦ Hanomboka any amin'ny volana jona any ho any, farahatarany, ny tohin'ilay tetikasa haratona'aina hanampiana ireo mponina sahirana any amin'ny Distrika 119 manerana ny Faritra 23, izay famatsiam-bola hatrany amin'ny 250 tapitrisa Dolara, ho an'ny Minisiteran'ny Mponina... ♦ Distrika faharoa be olona voan'ny tazomoka indrindra ny any amin'ny Distrikan'i Tolagnaro...
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco