Tsy mitovy ny atao hoe "valy tanana" sy ny "atero ka alao" : iry voalohany dia hita matetika amin'ny lafiny arak'asa hamitàna asa iombonana hifamaliana ; itsy faharoa kosa dia fanehoana fifankatiavana sy fifanankalozana amin'ny alalan'ny fifamaliana fitia amin'ny alalan'ny tolotra izay mety ho zavatra, vola na fitia sy fifanampiana. Ny hoe "atero ka alao" dia mihevitra filaza mandidy, mandrisika ny olona hifanampy. Ny "atero ka alao" dia hifanaovana na an-kasoavana na an-karatsiana. Amin'izao fotoana dia mifono fifampitokisana izany satria mihitatra amin'ny fifanomezana vola na zavatra...

♦ Tafakatra any amin'ny ampahaefa-dalana eo amin'ny Chan ny Barean'i Madagasikara. Resin'ny Barea 3-0 i Soudan, alina... ♦ Hiaka-dapa eny amin'ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena anio ny disadisa misy eo amin'ireo samy mpanakanto momba ny OMDA... ♦ Miato amin'ny ampahany vokatry ny toetry ny andro ny fampianarana araka ny toromariky ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena... ♦ Ho feno herintaona amin'ity herinandro ity ny fananiham-bohitra ataon'i Rosia any Ukraine...

Ny tsirairay vita batemy dia manana adidy ao amin'ny fiangonana, satria koa nahazo fanomezam-pahasoavana maro. Maro samihafa ny fanomezam-pahasoavana fa ny Tompo iray ihany. Miseho amin'ny alalan'ny fidirana Fikambanana Masina na Vaomieran'asa samihafa ny anjara tandrify. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny asam-piangonana, iarahana amin'i P. Rakotoarimanana Nomenjanahary Jean Joachim.

Talata 24 janoary 2023 — Herinandro Tsotra fahatelo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka (Mk. 3, 31-35)

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...