Ny mpitondra ao amin'ny Eglizy dia mahatsapa sy mahalala tsara fa mavesa-danja ny anjara asan'ny lahika eo amin'ny fanasoavana ny Eglizy manontolo. Io anjara asa io dia ny fandraisana anjara amin'ny asan'i Kristy Mpisorona, Mpaminany sy Mpanjaka, ary misahana araka ny tandrify azy ny asan'ny vahoaka kristiana manontolo eo amin'ny Eglizy sy eo amin'izao tontolo izao. Nantsoina hizaka ny zavatry ny tany ny lahika. Katesizy momba ny fiombonan'ny vita batemy, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

Alakamisy 29 desambra 2022 — Andro fahadimy amin'ny Havaloan'ny Noely — Andro masina no mamirapiratra ho antsika: avia, ry vahoaka, hitsaoka ny Tompo, fa hazavana lehibe no tonga eto ambonin’ny tany amin’izao andro izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 22-35

♦ Nitondra famelabelaran-kevitra mahasika ny hafatry ny Papa François, momba ny andro maneran-tany ho an'ny Fiadanana ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Niaka-bidy indray ny vary vokarina eto an-toerana. Misy tafakatra 950Ariary ny kapoakan'i Makalioka ao an-drenivohitra. Miantso ny fitondrana foive hijery akaiky izany ny fikambanana miaro ny zon'ny mpanjifa PMH... ♦ Tsy voahaja ny fitsinjaram-pahefana manoloana ny fihetsiky ny fiadidiana ny Repôblika mibaiko ny olom-boafidy, hoy Andriamatoa Hajo Andrianainarivelo. Fanehoan-keviny manoloana ny famelàna indray ireo mpivarotra amoron-dalana hivarotra na dia efa noraràn'ny Kaominina Antananarivo aza...

♦ Nanamarika ny faha-50 taona niorenany ny antoko MFM, omaly. Antoko efa nijoro tamin'ny volana desambra taona 1972... ♦ Olona miisa 10.837 amin'izao fotoana izao no fantatra fa mitondra ny tsimok'aretina VIH SIDA eto Madagasikara. Olona an'arivony eo no olona vaovao ahiana ho mitondra ny tsimok'aretina, ireo efa fantatra fa mitondra ny tsimok'aretina dia mihinana isan'andro ny fanafody ARV... ♦ Miha mahazo vahana ao an-drenivohitry ny Faritra Menabe, tato ho ato ny fanaovana trafikana maso. Lehilahy miisa 2 indray no voasambotry ny mpitandro filaminana, nahatratrarana voamaso miisa 13...

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...