♦ Misasaka ny fe-potoana hanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy ho an'ny fifidianana amin'ny taona ho avy. Lasa nampanahirana ny CENI ny tsy nisian'ny fikaonandoham-pirenena, nialohan'ny nanatanterahana izany, hoy ny antoko Fiombonana... ♦ Voavolavola ny drafitra stratejika ankapobeny ho fanaraha-maso ny asa eto Madagasikara. Nampahafantarina omaly izany drafitra izany, ho fanatsaràna ny aro loza sy fitandremam-pahasalamana eny anivon'ny toeram-piasàna... ♦ Olona miisa 6, no maty nilatsaham-potaka tany Tsiafabositra Maevantanàna omaly. Andro vao maraina ny nisian'izao fipoahan'ny varatra izao, narahin'ny rotsak'orana sy kotroka...

Ny voambolana aorian'ny isa mahazatra dia mifono soatovaina daholo. Enina mangamanga, izany hoe midika ho hatsarana sy hasoavana ; fito paraky, misy hevitra hoe fikirizana sy finiavana ary fahaizana mandinin-tena ; valo tanantanana, ity farany ilay zava-maniry atao hoe "kinana" ny hevitra fonosiny eto dia ny firaisan-kina, fifanomezan-tanana ; sivy rongony, taratry ny fifamatorana sy fifandraisana eo amin'ny mpitondra sy ny hoentina, manasongadina ny hoe "antenimiera" ; Folo fanolehana na famolesana izay maneho fahaiza-miaina sy fifanitsiana eo amin'ny fiainana. 

♦ Manaitra ny fitondram-panjakana ny Evekan'i Morondava, nanoloana ny zava-nitranga tato ho ato. Zava-doza ny misy any amin'ny Faritra Menabe, hoy izy, mihalalina ny haratsiana, noho ny tsy fandriam-pahalemana... ♦ Hangataka fahafahana vonjimaika ho an-dRaissa Razaivola, ilay renim-pianakaviana nohampangaina ho nikasa hifofo aina solombavambahoaka ny mpisolovava azy. Nanazava ny momba ity raharaha ity omaly, io mpisolovava azy io... ♦ Maro ireo mitaraina fa niakatra be ny hetran-trano ao an-drenivohitra takian'ny fiadidiana ny tanànan'Antananarivo. Fampiakarana misy hatrany amin'ny 100% noho ny teo aloha, raha araka ny fitarainan'ireo tompon-trano nahazo izany taratasy fitakian-ketra izany...

15 nôvambra — Teraka ny 1193 tao Lauingen tao Souabe i Masindahy Albert. Albrecht von Bollstädt no anarany fa Albert le Grand no iantsoan'ny maro azy. Izy no nampiditra tao amin'ny oniversite tao Europe ny fahalalana sy ny fikarohana grika sy arabo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...