♦ Maika ny fanarenana ny firenena hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ary mbola vonona hitarika izany izy. Izay no nambarany raha niarahaba azy noho ny fahatratrarana ny taona vaovao ny vehivavy TIM... ♦ Mitaky fanitsiana ny karama, hifanaraka amin'ny fiakaran'ny vidm-piainana amin'izao fotoana izao ny Firaisan-kinan'ny Sendika eto Madagasikara na ny SSM. Hanao hetsika fanairana izy ireo ny 15 janoary izao... ♦ Sahirana ny mponina ao Toliara noho ny tsy fisian'ny asa. Manampy trotraka ny fahatongavan'ny mpifindra monina. Miantso ny tompon'andraikitra hijery akaiky ny fomba hisokafan'ny Base Toliara ny Ben'ny Tanànan'ny Kaominina andrenivohitra Vita Dédé Sidison...

♦ Nigadona an-tanindrazana omaly ny filohan'ny fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara MGR Raharilamboniaina Marie Fabien rehefa avy nanatrika ny fotoam-pandevenana an'ny Papa Emérite Benoît XVI, tany Vatican ny alakamisy lasa teo... ♦ Handray andraikitra amin'ireo minia manafina entam-barotra ny Ministera misahana ny Varotra sy ny Fanjifàna. Fandikan-dalàna izany hoy ny tompon'andraikitra raha nidina ifotony nijery ny vidim-bary omaly... ♦ Mitranga ao Toliara-I ny fifindra-monina an-tanàn-dehibe. Tsy miomana handray ireo mpifindra monina noho ny foto-drafitr'asa tsy ampy nefa ny ao Toliara ka miteraka olana ara-tsôsialy izany hoy ny solombavambahoaka RABEHAJA Jean...

Tsy anjaran'ny Fanjakàna sy ny Eglizy samirery ny ezaka hampandroso ny olona sy hahay hikirakira ny teknôlôjia fa manana anjara ihany koa ny tsirairay miainga ao an-tokantrano izay fiangonana fototra. Mahasarika tanora maro ny fitaovan-tserasera lasa sampy ho an'ny hafa izany hoe toy ny Andriamanitra mihitsy. Tsy ireny anefa no ratsy fa ny fitiavana azy tafahoatra no maha ratsy azy. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.

Sabotsy 7 janoary 2023 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Andro masina no manazava antsika: tongava, ry firenena, ary avia hitsaoka ny Tompo; satria midina ety ambonin’ny tany androany ny hazavana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 2, 1-12

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...