♦ Ravan'ny mpitandro ny filaminana any Antsirabe ny tambazotran'ny mpaka ankeriny, nisy ny jiolahy namoy ny ainy voatifitra, avotra ilay teratany vahiny nalaina ankeriny ny alarobia teo... ♦ Tsy haitraitra fotsiny ny fangatahana zo tsy azo enjehina takian'ny Ben'ny Tanàna fa tena dingana iray hahafahana miatrika ny fampandrosoana ny kaominina hoy ny filoha mpirara-mitantana ny fikambanan'ny Ben'ny tanàna manerana ny nosy... ♦ Laharam-pahamehana ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny serasera, indrindra amin'ny fanafoanana ireo andininy mety hanelingelina ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety hoy ny tale jeneraly vaovaon'ny Ministeran'ny Serasera...

♦ Manana ny lanjany amin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny boky aman-gazety katôlika. Nisongadina izany nandritra ny fiofanana, sy fivoriana tsy ara-potoanan'ireo mpisehatra amin'ny tontolon'ny boky eo anivon'ny Fiangonana Katôlika... ♦ Naiditra am-ponja eny Antanimora i Rinah Rakotomanga, sy ilay sakaizany Jerry noho ilay raharaha kolikoly tao amin'ny Madagascar Airlines... ♦ Nahatratra 170 miliara Ariary ny faty antoka ho an'ny Fanjakàna vokatry ny kolikoly ho an'ny taona 2025, raha ny tatitry ny BIANCO, omaly... ♦ Nirongatra be ny fakàna ankeriny ataon'ny JIHADISTE amin'n teratany vahiny any MALI tamin'ity taona ity...

Ny fampiofanana litorjika ho an'ny pretra sy ny seminarista dia natao hikendrena fandalinana, hampiofana ireo mpitarika litorjia. Tokony ho ampy sy lalina ny fampianarana momba ny Litorjia ao amin'ny seminera sy toeram-piofanana rehetra : tsy vitan'ny olona tokana ny fampiofanana. Ny pretra sy ny diakra dia mpitarika noho izany tsy maintsy mahafehy tsara ny hevitry ny Litorjia... Katesizy momba ny Fanaingana ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.

• Manana ny lanjany amin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny boky aman-gazety katolika. Nisongadina izany nandritra ny fanokafana ny fiofanana, sady fivoriana tsy ara-potoana ho an'ireo mpisehatra amin'ny tontolon'ny boky, eo anivon'ny Eglizy Katolika... • Nahatratra 170 miliara Ariary ny faty antoka ho an'ny fanjakana, vokatry ny kolikoly ho an'ny taona 2025, raha ny tatitra nataon'ny BIANCO androany... • Navotsotra androany, ary eo ambany fanarahamason'ny Fitsarana, ny Filohan'ny Sendikan'ny Mpiasan'ny JIRAMA SMJ, Ratovomanarivo Anmora...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...