Aoka ny Eveka sy ny pretra hampianatra sy hanofana ny vahoaka mba hahalala sy handray anjara tsara amin'ny Litorjia. ohatra : Fanofanana ny vaomieran'ny Litorjia isa-paroasy. Mila katesizy Litorjika ho an'ny mpino, manaza ny dikan'ny Eokaristia sy ny vavaka isan-karazany, ny sakramenta ny taom-piangonana. Tokony ho fantatry ny mpino fa izy rehetra dia mandray anjara amin'ny asan'i Kristy... Katesizy momba ny Fanaingana ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.
Aoka ny fikambanana sy ny ivon-toerana momba ny fianarana litorjika hiorina sy hanampy amin'ny fanavaozana. Tokony hisy "centre de liturgie" isam-piangonana na amin'ny ambaratonga nasiônaly, hanomana sy hanofana ireo mpitarika. Ny fanabeazana litorjika dia andraikitra iraisan'ny Eglizy manontolo, tsy an'ny seminera na pretra irery... Katesizy momba ny Fanaingana ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.
• Fandaharan'asa mifototra amin'ny fanavaozana ifotony, ahitana taratra ny hetahetan'ny vahoaka no isan'ny voafaritra ao anatin'ny PGE, izay novelabelarin'ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo androany, teny amin'ny Lapan'ny Antenimieram-pirenena... • Tsy napetraka amin'ny toerana voatokana, fa miaraka amin'ny daholobe ao amin'ny fonjan'Antanimora, Ramatoa Rinah Rakotomanga, noho izy hatahorana hanao herisetra, raha ny fanazavana nentin'ny Minisitry ny Fitsarana androany...
Ny "gaotra" dia fiakaran'ny "acide urique" vokatry ny sakafo matsiro fa tsy sakafo matavy matetika, izay afangaron'ny olona anefa samy hafa. Matetika dia olona efa nahazo taona, tia hena mena no mararin'ny gaotra. Ohatra : hen'omby... Fandaharana "Zava-misy" iarahana Docteur RAMANANDRAIBE, fandaharana atolotr'i Rasamimanana Marc.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco