♦ Fiombonam-bavaka sy fiaraha-mientana amin'ny fanohanana sy fanampiana ny Seminera, izay no nanamarihana fetim-bokatry ny Seminera Zandriny Fianakaviana Masina Ambohipo omaly Alahady... ♦ Natao hanoroana lalana sy ny hijerena ny ho avin'ny mpianatra any aoriana ny "Salon de l'avenir" nokarakarain'ny EESCATHO fikambanan'ireo Sekoly ambony katôlika eto Madagasikara, teny amin'ny ESCA Antanimena ny sabotsy teo... ♦ Trano fonenana miisa 500, amin'ny faritra samihafa eto Madagasikara no kendren'ny orinasa SEIMAD ho vitaina amin'ity taona 2025 ity... ♦ Olona miisa 22 no namoy ny ainy omaly tany Ranyones-Gaza vokatry ny daroka baomba Israelianina...
26 mey — I Philippe Néri dia teraka tao Florence ny 21 jolay 1515. Notaire ny rainy. Tao amin'io toerana io ihany koa izy no notezaina. Nantsoina hoe Philippe kely tsara fanahy izy tamin'izany, noho izy tsara toetra sy malefaka ary mahatehotia.
Manana andraikitra lehibe ny ray aman-dreny isan-tsokajiny mba hahay hifanampy sy hifanaja ; ny fanabeazana dia adidy tsy maintsy sahanin'ny ray aman-dreny : fanabeazana ara-batana, ara-tsaina amin'ny alalan'ny fanofanana, ara-panahy mifantoka amin'ny fifehezan-tena. Aoka isika rehetra mba hanara-maso sy hifehy ny tambazotra-tsôsialy sy ny serasera fa maro ny lafiny ratsy aterak'ireny ary matetika efa manimba ny fiainan'ny maro vao hita ka tara ny fandraisana andraikitra... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
25 mey — Teraka tany Angleterre ny taona 672 i Bède. Mbola ley izy dia efa maty ny ray aman-dreniny ka teo amin'ny fahafito taonany izy no naterin'ny havany tany amin'i Benoît Biscop, lehiben'ny mpitoka-monina tao Canterbury. Mpmampiofana ireo mpitoka-monina i Benoît no sady nanana andraikitra manoka koa tamin'ny fampifandraisana an'i Roma sy Angleterre.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco