Alarobia 5 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 1-4

♦ Nandray ny masoivoho vaovaon'i Lafrantsa miasa sy monina eto Madagasikara, teny amin'ny birao fiasany teny Ampahibe, ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena. Madeha tsara toy ny hatramin'izay ny fiaraha-miasa eo amin'ny tany roa tonta, hoy ny Jeneraly Rakotonirina Richard... ♦ Mponina iray hetsy, tratran'ny tsy fanjarian-tsakafo ambony, any amin'ny tapany atsimon'ny nosy, no hahazo tohana ara-tsakafo avy amin'ny Britanika. Nanolotra roa tapitrisa Livre sterling hanatontosana izany ny governemanta any Royaume-Uni...

♦ Tsy tokony asiana fanilikilihana ny fakàn-kevitry ny Ceni amin'ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy, hoy ny V.H.T. Ireo antoko mpomba ny fitondràna sy ny avy amin'ny mpanohitra ihany no nantsoina, hoy ny filohan'ity antoko ity... ♦ Kasaina hohatsaràina ny lalàna mifehy ny fahasalamana eto amintsika. Milaza ho manana soson-kevitra maro ho amin'izany fanovàna izany ny fikambanan'ireo mpivaro-panafody eny ambanivohitra na "dépositaire de Médicament"... ♦ Namoaka fikarohana momba ny famokarana biriky miaro ny tontolo iainana ny Atelier iray eny Tsimbazaza. Nahavita biriky tsy dia mila fampiasàna béton intsony amin'ny fanangànana trano ity orinasa tsy miankina ity...

♦ Tsy tomombana ny fanombohan'ny fanisàna mpifidy sahanin'ireo mpanisa any ifotony, hoy ny KMF/Cnoe omaly. Voalazan'ny fanambaràna fa maro ireo fanisàna tsy nanomboka tamin'ny sabotsy teo, amin'ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana... ♦ Mitaky fihaonana mivantana amin'ny ministra ny sendikàn'ny mpiraki-draharaha mialohan'ny hampikatsoan'izy ireo ny raharaham-pitsaràna ny alakamisy izao. Tafapetraka omaly ny taratasy fampahafantarana amin'izay firosoana amin'ny fitokonana izay...  ♦ Angatahana ho andro tsy fiasàna nefa andraisan-karama ny datin'ny 5 ôktôbra, izay hankalazàna ny andro maneran-tany ho an'ny mpampianatra. Mikarakara hetsika fanamarihana izany rahampitso ny AJEEM-Madagasikara...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...