Nitondra fampivoarana amin'ny seha-pamokarana eny ambanivohitra ny nananganana ireo ivon-toeram-piofanana mivondrona ao amin'ny FECAMA (Federation des Collège Agrioole de Madagascar). Miisa 5 ireo kolejy mivondrona ao aminy, miparitaka any amin'ny faritra dimy samy eo ambany fiahian'ny vovonam-pikambanana FIFATA avokoa...

♦ Maro ireo ray aman-dreny nisafidy ny hampiana-janaka any amin'ny sekolim-panjakana, amin'izao taom-pianarana vaovao izao... ♦ Efa tomombana, amin'ny akapobeny, ny fiaingan'ireo tanora avy amin'ny  diôsezy samihafa, hiatrika ny JMJ any Antsirabe... ♦ Notolorana 10 tapitrisa Ariary ny Ekipam-pirenena Maki vehivavy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompon-daka eran-tany any Afrika Atsimo... 

♦ Efa vonona eo amin'ny 90% ny fandraisana ny JMJ Mada X, izay hotanterahana any amin'ny Faritra Vakinankaratra... ♦ Miantso ny fitondram-panjakana handray andraikitra amin'ny fanomanana ireo atleta malagasy hiatrika ny Lalaon'ny Nosy hatao eto Madagasikara amin'ny taona ho avy, ny Filohan'ny Komity Olimpika Malagasy... ♦ Raim-pianakaviana iray 55 taona sy ny zanany telo lahy no nahavita nanolana zazavavy 14 taona, tany Ambilobe, araka ny tatitry ny Polism-pirenena...

26 aogositra — I Zefferino Namuncura dia teraka tamin’ny 26 aogositra 1896 tao Chimpai. Zanak’i Manuel Namuncura izy, fanta-daza tamin’ny tamin’ny fokon’ireo Mapuche izany rainy izany, any amin’ny faritr’i Río Colorado.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...