Antsoin'ny katesizin'ny Fiangonana Katolika ho " Mpandraharaha voahosotra" ireo nanokan-tena hanompo ny Eglizy ka " manao ny asany eo amin'ny Vahoakan'Andriamanitra amin'ny fampianarana, ny fanompoam-pivavahana ary fitantanana amin'ny maha-Mpiandry ondry". Misy ambaratonga telo izy : ny Eveka, ny Pretra ary ny Diakra. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Alarobia 24 aogositra 2022 — Masindahy Barthélemy, Apôstôly — Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, ianao no Mpanjakan’i Israely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 45-51
♦ Hatsaraina, hampiasana ny haitao ara-kajy mirindra amin'ny alaln'ny tetikasa Prodigi, ny sampan-draharaha misahana ny sora-piankohonana sy ny karapanondrom-pirenena eto amintsika... ♦ Miantso vonjy amin'ny fanjakana mahefa mba hanampy azy ireo, ireo tra-boina vokatry ny firehetan'ny trano tao amin'ny Fokontany Analanjavidy, any amin'ny Distrikan'i Mananjary... ♦ Matin'ny zandary nandritra ny fifandonana tao Andranofasika, Distrikan'Amparafaravola androany maraina, ny jiolahy mitam-piadiana, mpaka an-keriny, miisa fito notarihan-dRakipikipy...
♦ Hanomboka anio atsy Afrika-Atsimo ny fivorian'ireo Parlemantera panafrikàna. Parlemantera malagasy miisa efa no nandeha niatrika izany, hidinika ny fahafaha-miatrika ara-tsakafo aty Afrika... ♦ Hisy ny fanavaozana fahazoan-dalana mitrandraka ho an'ireo efa nanana izany. Fepetra noraisin'ny fanjakàna izany, mba afahan'izy ireo miasa aloha, mandram-pivoakan'ny lalàna vaovao mifehy ny harena ankibon'ny tany... ♦ Tsy tokony mbola hovahàna ny fahafaha-manondrana harena ankibon'ny tany any ivelany, hoy ny Alliance-Voahary-Gasy. Nambaran'ity firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny tontolo iainana ity fa mbola manjavozavo miteraka kolikoly ny zava-misy amin'izao...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco