Alakamisy 22 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana amin’ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 7-9
♦ Nilaza ny avy amin'ny Minisiteran'ny Fitsarana fa tsy sakana amin'ny fanaovana fitsarana mitety vohitra, hahazoana kopia faobe, hisitrahana kara-panondrom-pirenena, ny fanambaran'ny SMM... ♦ Niseho teo amin'ny sehatra pôlitika indray ny antoko Hiaraka Isika, tarihin'ny Jeneraly Camille Vital, androany. Tsy mahamaika, hoy izy, ny fidirana ao anatin'ny fitondrana sy ny fakana seza... ♦ Tsy hisy intsony ny delestazy any Morondava manomboka rahampitso. Hiverina 24 ora amin'ny 24 ora ny famatsiana herinaratra any an-toerana, hoy ny Solombavam-bahoaka Tsiliva Duduo...
♦ Anio hariva amin'ny 6 ora any ho any, ora aty Madagasikara no handray fitenenana anatin'ny fivoriambe faha-77, eo anivon'ny ONU, izay tanterahina any New York ny filohan'ny repoblika Malagasy Andry Rajoelina... ♦ Vonona hanamafy orina ny fifandraisany ara-barotra amin'i Madagasikara i Algérie, ary maniry ny hanamafisana izany amin'ny lafiny lalàna ihany koa... ♦ Vaksiny Janssen 79 200 fatra, no tonga teny amin'ny seranam-piara-manidina Ivato androany. Fanomezana avy amin'i Afrika-Atsimo ireto vaksiny ireto...
♦ Miverina nanomboka omaly faha 20 septambra ny fahafahana manondrana vatosoa sy vato sarobidy any ivelany, raha naato efa ho herin-taona latsaka izao... ♦ Hametra-pialana ireo mpikamban'ny kabinetran'ny ministera raha voaporofo ny maha tompon'antoka ny ministra Princia Soafilira tamin'ilay raharaha fanapohana solika. Manana hatramin'ny anio anefa ilay gazety nilaza izany hamoahany ny porofo... ♦ Fianakaviana sahirana sy marefo ara-pivelomana, maherin'ny 1.000 isa any amin'ny distrikan'Andilamena no nisitraka Vary-Tsinjo avy amin'ny fitondram-panjakàna. Nanome toky ny praiministra, fa hojerena manokana ny hisitrahan'ny mponina ireo foto-drafitrasa nangatahany, toy ny tsena sy ny fahazoana rano fisotro madio...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco