♦ Tsy maharesy lahatra ny antoko Fiombonana ny fanazavan'ny tompon'andraikitra momba ny fahasahiranan'ny any amin'ny faritra samihafa amin'ny fanjifana ny gasoil. Tombanan'izy ireo ho vokatry ny olan'ny mpandraharaha sy ny fanjakàna no antony... ♦ Kaominina 28 manodidina an'Antananarivo renivohitra sy ny boriborin-tany efatra ao an-drenivohitra no hisitraka ilay tetik'asa GUGA natomboka omaly. Famatsiam-bolan'ny AFD mitentina 5 tapitrisa Euro... ♦ Nidina ny taham-pahafahana bakalôrea ho an'ny teto amin'ny faritanin'Antananarivo tamin'ity taona ity. 41,34% izany raha toa ka nahatratra 58,48% izany tamin'ny taona lasa...
20 aogositra — Teraka ny taona 1090 tao Fontaine akaikin’i Dijon i Bernard. Manam-boninahitra sy fanta-daza amin’ny fitava-bavaka ny ray aman-dreniny. Vao teraka izy dia efa natokan’ny reniny ho an’Andrimanitra. Io reniny io dia nanonofy fa ho masina io zaza io ao aoriana.
Ny "fitiavam-bavaka", ny "fitiavana an'Andriamanitra sy ny namana" ary ny "fahamendrehana ara-pitondrantena" dia isan'ireo andry mahasahana zavatra maro sy lalana hizorana ho amin'ny antso. Katesizy momba ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Sabotsy 20 aogositra 2022 — Herinandro faharoapolo mandavantaona —Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 23, 1-12
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco