17 aogositra — Teraka tao Silésie ny taona 1200 i Masindahy Hyacinthe ary nodimandry tao Cracovie ny 15 aogositra 1257. Nihaona tamin’i Masindahy Dominique tao Roma izy ary tonga mpianany tao amin’ny fikambanana Frères precheurs.
Miasa ao amin'i Masina Maria ny Trinité Masina ho fanatanterahana sy fandinihina ny antso. Mila mivavaka isika ho famantarana ny antso, mitarika ho amin'ny fankatoavana. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Alarobia 17 aogositra 2022 — Herinandro faharopolo mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsarànao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 20, 1-16
♦ Nivoaka izao takariva izao ny voka-panadinana bakalorea ho an'ny Faritanin'i Mahajanga. Nihena ny taha-pahafahana tamin'ity taona ity, raha oharina tamin'ny taon-dasa... ♦ Nanelingelina ny asa famonoam-balala teto Madagasikara nandritra ny taona 2021-2022 noho ny fiovaovan'ny toetrandro... ♦ Mitohy hatrany ny fitetezam-paritra ataon'ny mpitantana ny antoko AREMA. Namabran'ny Sekretera Nasiônaliny, tany amin'ireo toerana nolalovany, fa vonona handray anjara amin'ny fanampiana ny fiahiana ny fiainan'ny mponina ny antoko...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco