Ny olombelona dia miavaka noho ireto antony ireto : ny fananana fihetseham-po sy ny hafaliana lehibe raha misy aina vaovao teraka eto an-tany ; raha misy zavatra mampijaly ny aina dia mihetsi-po malahelo ary ory tokoa ny olona manoloana ireo namana voan'izany ; raha misy fahafatesana dia mahatsiaro malahelo ary maneho fisaonana mihitsy. katesizy momba ny hasarobidin'ny aina, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.
Talata 9 aogositra 2022 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy. Isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 1-5. 10. 12-14
♦ Efa manomboka no hita taratra ny toerana misy ireo voafonja roalahy tafatsoaka tao amin'ny fonjan'Ambalatavoahangy. Efa tratra kosa ilay voafonja iray antsoina hoe i Mainty, ary ho maro ireo olona handalo fanadihadiana noho ny fandosirany tao amin'ny fonjakely... ♦ Very olona alain-tahaka ny Malagasy, hoy ny Roso ho an'ny Demokrasia Sosialy, androany... ♦ Mbola tsy miravona ny disadisa eo amin'ny solombavam-bahoakan'ny Boriboritany fahadimy ao Antananarivo Renivohitra sy ilay Sefo Fokontany teo aloha tao Analamahitsy. Miandry ny fandraisana andraikitry ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena ny mpisolovava azy...
♦ Miisa roa amby telopolo ireo diakra nohamasinina ho pretra tao amin'ny Diôsezin'Antsirabe tamin'ny sabotsy 6 aogositra 2022, fankalazana ny niovan'ny Tompo tarehy... ♦ Tao amin'ny Diôsezin'Ambositra dia dimy ireo nohamasinina ho pretra ary fito ireo nohamasinina ho diakra... ♦ Telo mirahavavy ireo masera, avy ao amin'ny fikambanana Filles de Marie Auxiliatrice, nanonona ny voady mandrakizay tany Betafo, Diôsezin'Antsirabe, toerana izay iasan'izy ireo...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco