♦ Mpiadina miisa 192.435 no hiatrika ny fanadinana Bakalôrea manomboka anio 18 jolay hatramin'ny zoma 22 jolay 2022 izao, manerana an'i Madagasikara... ♦ Tsy manaiky ny saran'ny fitanterana "Bus" ho 800 Ariary ao an-drenivohitra ireo Mpiaro ny Zon'ny Mpanjifa, 600 Ariary hoy izy ireo no nifanarahana. Nanentana ny mpanjifa tsy hanaiky ny 800 Ariary izy ireo... ♦ Nankasitraka ny fitondram-panjakana amin'ny ezaka ataony hamahana ny olan'ny vahoaka amin'ny fiakaran'ny vidim-piainana ny FFKM. Niantso ny rehetra samy handini-tena amin'ny andraikiny ny avy amin'ny FFKM, ka hiala amin'ny fifampihantsiana sy ny fanamarinan-tena...

18 jolay — Zafikelin’i Radbod i Frédéric. I Masindahy Richfried no nanabeaza azy, eveka tao Utrecht izy io. Nohamasinina ho pretra izy ary fanta-daza tamin’ny fifehezan-tena mafy. Nolaviny ny fifidianana azy ho eveka tao amin’ny diosezy.

Ao amin'ny olombelona, ny fahafahana dia famantarana ambony dia ambony an'ilay endrik'Andriamanitra. Noho izany, famantarana ihany koa ilay fahamendrehana tsy anoharana ananan'ny olona tsirairay. Ampiasana ny fahafahana eo amin'ny fifandraisan'ny samy olombelona, manana zo voanjanahary ho raisina ho olona afaka ny tsirairay. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alatsinainy 18 jolay 2022 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 12, 38-42

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...