♦ Tsy handefitra amin'ireo tompon'antoka tamin'ny famonoana an-dRakotoarisoa Henri izay mpizara vaovao sy mpampaneno lakolosy amin'ireo mpanimba ny tontolo iainana tany amin'ny Faritra Alaotra-Mangoro ny fitondram-panjakàna... ♦ Miandrandra fihatsaràna sy fivahan'ny olan'ny fananan-tany misy amin'izao fotoana izao ny tantsaha nandray anjara tamin'ilay fikaonandoham-pirenena momba ny fananan-tany tetsy amin'ny CCI Ivato, izay nifarana omaly... ♦ Tokony ho saziana mafy ireo mpandraharaha eo amin'ny sehatry ny lavanila izay tsy manaraka ny vidiny farany ambany noferan'ny fanjakàna, raha ny nambaran'ny solombavambahoaka voafidy tany Sambava...

♦ Paik'ady vaovao no hapetraky ny ftondrana hamerenana ny tanjaky ny fizahan-tany eto Madagasikara ny fisokafana amin'ny firenena hafa toa an'i Inde, Eoropa Atsinanana ary Afrika... ♦ Miantso ny tompon'andraikitra misahana ny fitandroana ny filaminana hanafaingana ny fitadiavana izay tena marina ao ambadiky ny tranga fakana ankeriny niseho lany tato ho ato ny filohan'ny filan-kevitry ny fampihavanana Malagasy... ♦ Tsy mahafehy ny teny Frantsay sy ny matematika ny ankamaroan'ny mpampianatra any amin'ny ambarotonga fototra any amin'ny sekoly miankina amin'ny fanjakana raha ny fanadihadiana nataon'ny tetik'asa PASEC nanaovana tombana ny fanabeazana ny taona 2019...

Hoy ny Pape François, ny fihainoana voalohany tokony ho karohintsika raha te hahita serasera tena izy dia ny fihainoana ny tenantsika aloha, ireo filantsika tena izy, izay voasoratra any am-pontsika tsirairay lalina any. Ary tsy maintsy miainga amin'ny fihainoana izay mahatonga antsika ho tokana aman-tany oharina amin'ny voaary rehetra : dia ny faniriana hifandray amin'ny hafa sy amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Sabotsy 11 jona 2022 — Herinandro fahafolo mandavantaona — Araikao amin’ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 33-37

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...