♦ Hisokatra amin'ny firenena Indiana, Eoropeanina tatsinanana ary i Afrika, isika Malagasy amin'ny tontolon'ny fizahan-tany, hoy ny Minisitra tompon'andraikitra... ♦ Miantso ny tompon'andraikitra misahana ny fitandroana ny filaminana, hanafaingana ny fitadiavana izay tena marina ao ambadiky ny tranga fakana an-keriny izay niseho lany tato ho ato, ny Filohan'ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy... ♦ Tsy mahafehy ny teny frantsay sy ny matematika ny ankamaroan'ny mpampianatra any amin'ny ambaratonga fototra, any amin'ny sekoly miankina amin'ny fanjakana...

♦ Notanterahana ny 8 jona 2022 ny Sorona Masina fanankinana ny fanahin'i Mgr Donald Pelletier, Eveka emeritan' i Morondava... ♦ Nantsoin'ny Ray hiaka sasatra eo anilany i P. Rasolofo José, pretra diôsezanina ao Toamasina... ♦ Tontosa ny 3 sy 4 jona 2022 ny fihaonamben'ny Vovonan'ny Akizy tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé...

Nodinihana nandritry ny telo andro teto an-drenivohitra teny amin'ny CNEAGR Nanisana ny fanavaozana ny paik'adim-pirenena mahakasika ny masomboly, ny lalàna mifehy ny famokarana masomboly, ary ny famelomana indray ny Fikambanana Malagasy ho fampiroboroboana ny masomboly na ny AMPROSEM mba hananany aingavao...

♦ Mikasa hanolotra tolo-dalana hanitsiana sy hanamorana ny fandraisana fanapahan-kevitra amin'ireo olom-panjakana ambony izay voasaringotra eny amin'ny Fitsara Avo, ny Solombavam-bahoaka Rivotina Jean Bosco... ♦ Efa nalefa eny amin'ny Fiadidiana ny Repoblika ny vokatry ny fitsirihana tamin'ireo orinasa nikojakoja ny lalana. Ireo orinasa nahafeno ny fepetra notakiana ihany anefa no hisitraka ny vola, hoy ny Minisitry ny Asa Vaventy... ♦ Marobe ireo trangan-doza am-prerinasa na aretina vokatry ny asa, any amin'ny faritra avaratry ny nosy...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...