Manana adidy ny olom-pirenena ka isan'ireny ny fijorona ho olon'afaka izany hoe miara-miasa amin'ny saina mahitsy. Ny olom-pirenena dia afaka mifanoro ary mifananatra araka ny hitsiny sy ny marina. Adidy miandry ny olom-pirenena ny fanalavirana ny fanararaotam-pahefana. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alarobia 29 jona 2022 — Masindahy Piera sy Paoly — Ianao no Piera (vatolampy) ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 16, 13-19
Ny mikasika ny fahefam-pitondram-panjakàna dia tokony hanome lanja ny zo fototra mahaolona ny olombelona, manasongadina ny fahamarinana. Ny fahefam-pitondrana ihany koa dia tokony hiantoka ny zo ara-politika izay omena araka ny takian'ny soa iombonana : ho an'ny olombelona sy ny firenena. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Talata 28 jona 2022 — Herinandro fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Fanahy sy fiainana ny teninao, ry Tompo; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosortan'i Masindahy Matio 8, 23-27
• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco