Natao hampivelatra ny mahaolona ny fahalalana. Mila fahendrena nefa izany, mba ho fanovozan-tsoa ho an'ny tena sy ny hafa ilay fahalalana, ary hitondra any amin'ny fampandrosoana. Ny fahendrena no itsanganan'ny trano, ary ny fahalalana no iorenany mafy ; Ny fahaizana no amenoana ny ao anatiny, amin'ny harena soa sy mahafinaritra rehetra. (Ohabolana 24, 3-4).

♦ Nahazo fahafahana vonjy maika i Clémence Raharinirina, tao aorian'ny fiakarany Fampanoavana teny amin'ny Fitsarana Anosy omaly. Amin'ny 3 mey izao ny fotoam-pitsarana azy... ♦ Miverina indray ny disadisa eo amin'ny Ben'ny Tananan'ny Kaominina Anosiala sy ireo mpivarotra ao anatin'ny fikambanana FIMA. Hiverina tsy ho ela eny amin'ny Fitsarana ny raharaha... ♦ Nitondra fanazavana momba ireo raharaha mafampana sy nanabe resaka teto amin'ny firenena kosa ny Talen'ny serasera eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika...

Ilaina fantarina tsara ny atao hoe soa iombonana. Tsy misy afa-mialangalana, fa tsy maintsy samy manao araka izay vitany manoloana ny soa iombonana. Tsy misy fampandrosoana rehefa tsy  hihevitra ny soa iombonana. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Zoma 15 aprily 2022 — Zoma Masina. Ny fijalian'i Jesoa Kristy Tompontsika — Nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana ho antsika i Kristy, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy, ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 18, 1 — 19, 42

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...