Alatsinainy 18 aprily 2022 — Alatsinainy amin'ny havaloanandron'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 28, 8-15

Endrika isehoan'ny fahafahana ny fananana manokana anefa fitaovana ihany io. Tsy tokony ianao irery no hahazo tombotsoa amin'ny fanananao fa ny hafa ihany koa dia tokony hisitraka amin'izany. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Alahady 17 aprily 2022 — Alahadin'ny Paka. Nitsanganan'ny Tompo ho velona — Efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika ao amin’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 1-9

♦ Vinavinan'ny fitondram-panjakana ny hanakatona ny eny Andralanitra, tsy hanariana ny fakon'ny Renivohitra intsony... ♦ Nampahafantarina teny Tsimbazaza, ireo fomba ahafana mitahiry ny ranonorana amin'ny fotoam-pahavaratra. Tadiavina ihany koa ny paikady hanaparitahana ny teknika... ♦ Miady amin'ny bibikely mpandrava voly kosa ny any amin'ny Faritra Androy amin'izao fotoana izao. Ny 50%-n'ny vokatra no azo andrandraina noho ny hafitsok'ireo bibikely mpandrava voly ireo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...