Ry Malagasy rehetra mpiray firenena, ianareo mpiavy efa iray firenena amin'ny Malagasy sy iray ra, iray fizakan-jo amin'ny Malagasy. Manao antso-avo amin'ny tsirairay mba hisoroka olana maro lafy izay efa niteraka ankivy lalina teto Madagasikara. Aoka samy ho tony, samia manatontosa ny andraikiny sy ny adidy tandrify azy ny tsirairay, anatin'ny fanajana ny fahamarinana sy fahadiovam-po. Ataovy zava-dehibe ny fifanajàna, fifampihainoana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ao amin'i Jesoa Kristy no tanteraka ny voalaza rehetra tao amin'ny Testamenta Taloha. Na dia nosilovin'Andriamanitra aza ireo mpanoratra ny Testamenta Taloha dia azo lazaina fa tsy afa-miala amin'ny tontolo nisy azy ary tsy maintsy nanao izany araka ny maha-izy azy ny tenany. Zava-dehibe ho an'ny kristiana ny Testamenta Taloha, fanomanana ny fiavian'i Kristy... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Alahady 05 oktobra 2025 : Alahady faha-27 mandavantaona — D - Ny olona manam-pinoana tsy miandry valisoa eo no ho eo ; Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao: Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay. I Jesoa no niaina voalohany ireo fijaliana, fa lalam-pitiavana ireny ; porofo ny nanehoan'ny Ray ny fitiavany tamin'ny nananganany an'i Kristy ho velona. Mandre ny vavaka sy ny fangatahana ataontsika Andriamanitra fa misy ny fandarahana,  ara-potoana, araka ny laharam-pahamehana aminy. Mila fotoana isika mba hamahana ny olana rehetra vokarin'ny ratsy, na ao anatintsika na eo amin'ny tontolo iainana mba tsy lasa mpitan-damba fotsiny isika...

♦ Manokatra varavarana hihainoana ny rehetra manoloana ny krizy misy eto Madagasikara ny FFKM. Ny ahatongavana amin'ny fifampidinihana no tanjona... ♦ Miantso ny olom-pirenena hanome lanja ny filaminana, hampitsahatra ny fihantsiana samihafa ny EMMONAT, ivondronan'ny Zandary, ny Polisy ary ny Tafika. Miantso ny rehetra ho tony manoloana ny toe-java-misy iainan'ny firenena ankehitriny... ♦ Miantso ny mpikambana rehetra manerana ny nosy hanatevin-daharana ny hatsika ataon'ny tanora amin'izao fotoana izao ny RMDM. Takian'izy ireo ny hamotsorana an'ireo voasambotra noho ny fanehoany ny heviny...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...