28 marsa — Ny ankamaroan'ny tetiandro dia manonona an'i Masindahy Gontran ho an'ity andro anio ity. Mpanjaka tao Bourgogne izy io, maty tamin'ny taona 592. Zafikelin'i Clovis sy Clotilde izy, ary i Clotaire Voalohany no rainy. Rehefa maty ny rainy dia izy no nandray ny fanjakana tao Bourgogne sy Orléans ary nitoetra tao Chalon-sur-Saône.
28 marsa 2025 — Zoma, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 28b-34)
• Mitaky ny hamotsorana ny Kolonely Fanampera, ireo manohitra ny tetikasa Base Toliara. Nametraka fepetra mialoha amin'ny fihaonana amin'ny solontenam-panjakana tonga any Toliara amin'izao, izy ireo... • Nisy tamin'ireo mpanamboatra finday amoron-dalana eny Analakely no nosamborina, anatin'ny fandaminana eny an-toerana. Fiaran'izy ireo maromaro koa no nahiditra valan-tsazy... • Miverina indray ny tsy fandriam-pahalemana amin'ny Lalam-pirenena. Fiara mpitatitra iray no voasakana tamin'ny Lalam-pirenena faha-4, ka nitarika fahasimbana goavana...
♦ Mitaky ny famoahana ny Kôlônely FANAPERA nosamborin'ny mpitandro filaminana tao Toliara ny zanany sy ireo tsy mankasitraka ny fitrandrahana fasimainty ao amin'ny Faritra Atsimo-andrefana. Politika sy tombontsoa manokana no fototry ny olana momba ity raharaha ity hoy ny fikambanana Toko Bey Telo... ♦ Mila manokana teti-bola afahana mamokatra masomboly mahazaka ny fiovaovan'ny toetry ny andro ny Fanjakàna hoy ny solombavambahoaka Rajerison Antoine raha te hahavita teny ara-tsakafo isika... ♦ Nampiofana an'ireo tantsaha ato amin'ny Faritra Analamanga momba ny fiompiana tantely sy ny fanamboarana tranon-tantely ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Nasiônaly...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco