♦ Mitaky ny mangarahara amin'ny tomba hatao amin'ireo mpikamban'ny Governemanta ny Kmf/Cnoe... ♦ Naneho ny fahasorenany ny SECES Sampana Antananarivo, manoloana ny nandavan'ny HCC ilay tolo-dalana momba ny fizakan-tenan'ny Oniversite sy ny foibem-pikarohana nasiônaly... ♦ Hatao fitsirihana sy fanadihadiana ny rano manodidina ny toeram-pitrandrahana fasimainty ataon'ny orinasa QMM any Taolagnaro...
♦ Hanova ireo ministra vitsivitsy ao anatin'ny governemantan'ny praiministra Ntsay Christian ny filoham-pirenena. Hanao tombana ny asa vitan'ireo ministra, Andriamatoa Andry Rajoelina, hisy fanapahan-kevitra aorian'izay... ♦ Mamita iraka eto Madagasikara ny talem-paritry ny FIDA aty Afrika atsinanana sy atsimon'i Afrika, Ramatoa Mbango-Bhunu, fanamafisana ny fiaraha-miasa momba ny fampiroboroboana ny asa famokarana eny ambanivohitra... ♦ Hitondra ny raharaha any amin'ny BIANCO ny Randrana sendikaly raha misy tokoa ilay famoahana vola be tao amin'ny CNaPs, niparitaka tao amin'ny tambazotra sôsialy...
Aoka mba hiainantsika tokoa izany fahavanonana izany, ary hitondra am-bavaka mba hiverenan'ny fandriam-pahalemana, indindra isika Malagasy aty amin'ny ranomasimbe Indiana, ranomasin'ny fandriam-pahalemana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ Hanova ireo ministra vitsivitsy ao anatin'ny governemantan'ny praiministra Ntsay Christian ny filoham-pirenena. Hatao ny tombana araka ny asa vita, hisy fanapahan-kevitra aorian'izay... ♦ Nitsidika ny filohan'ny antenimeram-pirenena ny filohan'ny Ceni. Nifantohan'ny dinika ny momba ireo volavolan-dalàna tokony apetraka momba ny fifidianana... ♦ Hoamafisina ny fiarovana ny ala honko eto Madagasikara. Maherin'ny 7 tapitrisa Euro ny famatsiam-bola atolotry ny governemanta alimana...
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco