Tamin’izany andro izany nony nandeha ho any Jerosalema i Jesoa, dia nanara-tsisina an’i Samaria sy Galilea. Ary raha niditra tao amin’ny vohitra anankiray Izy, dia nifanena tamin’ny boka folo lahy izay nijanona teny lavidavitra teny. Dia niantso izy ireo ka nanao hoe: "Ry Jesoa Mpampianatra ô, mamindrà fo aminay." Vantany vao nahita azy ireo Izy, dia nanao hoe: "Mandehana, misehoa amin’ny mpisorona"; ka nony nandeha ho any izy ireo dia sitrana teny am-pandehanana. Ary ny anankiray tamin’ireny, rahefa nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery. Niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa izy, dia nisaotra Azy; ary Samaritanina izy io. Dia niteny i Jesoa ka nanao hoe: "Moa tsy folo lahy va no nadio? Ka nankaiza àry ny sivy? Ny vahiny indray itý no hany niverina tamin’izy ireny mba hankalaza an’Andriamanitra?" Dia hoy Izy taminy: "Mitsangana, ary mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao."

Tamin’izany andro izany, dia hoy ilay vehivavy Samaritanina tamin’i Jesoa: "Tompoko, hitako fa Mpaminany Ianao. Ny razanay nivavaka teo amin’io tendrombohitra io, ary ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tsy maintsy hivavahana." Ary hoy i Jesoa taminy: "Ravehivavy, minoa Ahy, fa tonga ny andro, ka tsy amin’io tendrombohitra io na any Jerosalema aza no hivavahanareo amin’ny Ray. Ianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo, fa izahay no mivavaka amin’izay fantatray, satria avy amin’ny Jody ny famonjena. Fa ho avy ny andro, ary efa tonga sahady aza, izay hivavahan’ny mpivavaka marina amin’ny Ray amin’ny fanahy sy fahamarinana, fa ny mpivavaka aminy toy izany no tadiavin’ny Ray. Andriamanitra dia fanahy, ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy fahamarinana."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Tsy maintsy ho avy ny fanafintohinana, fa loza ho an’izay iaviany! Aleo anantonana vato fikosohan-dafarinina ny vozony ka alentika any anatin’ny ranomasina izy toy izay manafintohina na dia ny anankiray amin’ireto madinika ireto aza. Koa mitandrema ianareo. Raha diso taminao ny rahalahinao, anaro izy, ka raha mivalo izy, dia mamelà azy. Ary na dia ho diso aminao impito indray andro aza izy, ka miverina impito koa manao hoe: ‘Mifona aho’, dia mamelà azy." Ary hoy ny Apôstôly tamin’ny Tompo: "Ampitomboy ny finoanay." Fa hoy ny Tompo: "Raha manam-pinoana ohatra ny voan-tsinapy iray ianareo, dia mahazo milaza amin’io voaroihazo io hoe: ‘Miongota, ka mifindrà any amin’ny ranomasina’, dia hanaiky anareo izy."

Indray andro, raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra i Jesoa, dia nijery ny fandatsaky ny olona tao, ary maro ny mpanan-karena no nandatsaka be. Ary nisy mpitondratena mahantra anankiray tonga tao koa, ka nandatsaka farantsa kely roa ankevitry ny variroaventy avy. Dia nantsoin’i Jesoa ny mpianany ka nilazany hoe: "Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka be indrindra tamin’izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra; satria ireo rehetra ireo nandatsaka ny ambim-bavany, fa izy kosa nandatsaka izay ilainy, dia izay rehetra nananany sy ivelomany".

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...