Maro ireo tanora no tsy mahalala ny maha-izy azy. Eo am-pifaneraserana amin'ny hafa, ao anatin'ny fanekena sy ny fanajana ny fahasamihafàna no hahafahana mitrandraka izany. Ilaina ny mahatsapa ny fifamenoana ary amin'izany no hahafantarana ny andraikitra sy ny anjara toerana eo amin'ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny fananana hazon-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.

Alarobia 27 oktobra 2021 — Herinandro fahatelopolo mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 22-30

♦ Nitrangan'ny fanafihan-dahalo mahery vaika indray tany Bebozaka, Kaominina Itody, Distrikan'i Miandrivazo any amin'iny Faritr'i Menabe iny. Olona efatra no ataon'ny dahalo takalon'aina ary trano 53 tafo no may kila forehitra... ♦ Asa fanaovan-gazety, nanolotra ny fitantanana ho an'ny Filohan'ny holafitra vaovao, Rasoloarison Monica ny Filohan'ny holafitra teo aloha. Ho fiarovana ny asa fanaovan-gazety no antony, hoy i Rakotonirina Gérard...

♦Miomana hamoaka didy fampisamborana iraisam-pirenena an'Andriamatoa Jean Ravelonarivo ny fitsaràna malagasy. Nitsoaka any Frantsa moa ity praiministra teo aloha ity taorian'ny fanamelohan'ny PAC azy... ♦ Misy tsy fanarahan-dalàna ny nankatoavana ilay volavolan-dalàna vaovao momba ny asa. Mitaky amin'ny ministeran'ny asa ny votoantin'izany ny Randrana sendikaly... ♦ Mihamafy ny fitokonan'ireo mpandraharahan'ny Oniversiten'i Toamasina, mitaky ny tambin-karamany tsy voaloa. Nakaton'izy ireo ny biraon'ny Ofisin'ny Bakalôrea Barikadimy, tapaka ny famoahana diplôma...

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...