♦ Namoaka fanambaràna androany ny Filohan'ny HCC teo aloha, nandiso ny vaovao niely momba ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny taona 2018, nahavoatonontonona ny anarany... ♦ Noresahan'ireo solombavambahoaka teny Tsimbazaza omaly ny momba ny fanelezana vaovao tsy marina amin'ny Facebook, andrasana ny paik'adyy iadiana amin'izany... ♦ Mitaraina ireo delegem-panjakàna manerana ny nosy amin'ny fanantanterahana ny asany. Mahatsiaro ho tsy mitovy amin'ireo mpiasam-panjakàna hafa...
♦ Hiakatra ny saran-dalana amin'ny zotra nasiônaly sy rezionaly eto amintsika manomboka ny 22 novambra izao, araka ny tapak'ireo mpitatitra. Tafakatra hatramin'ny 50 000 Ariary mitaha amin'ny teo aloha... ♦ Niakatra ny vidin'ny henan'omby eny an-tsena eto Antananarivo, noho ny fahavitsiany eny an-tsena, antony ny fitokonan'ireo mpitsabo biby... ♦ Sekoly roa no voatery nakatona nandritra ny 15 andro any Morondrava, noho ny firongatry ny Coronavirus, nahitàna tranga noho ny fifampikasohana...
Fiaraha-miasa amin'ny zokiolona : misy harena miafina ao amin'ireny zokiolona ireny, koa amporisihana ny tanora mba hahay hiara-hiasa amin'ireny eo am-panorenana ny ho avy. Raha misy olon-kendry hitanao dia hatony vao maraina ary ataovy masaky ny tongotrao ny tokonam-baravarany. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
Talata 9 novambra 2021 — Ny nitokanana ny Bazilika ao Latran — Fidiko sy hamasiniko hatramin’izao itý trano itý, hoy ny Tompo, hitoeran’ny Anarako mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 4, 19-24
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco