Avelao ny Fanahy Masina hiasa ao anatin'ny fahanginana. Antsoy ny Fanahy Masina hanazava sy hanoro mba hahaizana mihaino ny tenin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fahaizana mihaino antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Alatsinainy 4 oktobra 2021 — Herinandro fahafito amby roapolo mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 25-37

Mila mahay mangina sy mahay mihaino rehefa hamantatra ny antson'Andriamanitra. Maka fotoana sy toerana mangina hahafahana mihaino an'Andriamanitra, ary indrindra hahafahan'Andriamanitra miresaka aminao. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Alahady 3 oktobra 2021 — Alahady fahafito amby roapolo mandavantaona — Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao, Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 2-16

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...